Fandalinana ny Boky 1 Samoela
Mofonaina anio: Zoma, faha 07 Desambra 2018
Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 19.19-24; 20.1-4
19 Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama. 20 Ary Saoly naniraka olona hisambotra an'i Davida; ary nony hitan'ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin'ny irak'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra. ka dia mba naminany koa izy. 21 Ary nony nisy nanambara izany tamin'i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany koa ireo. 22 Ary dia lasa nankany Rama koa ny tenany, ary tonga tao amin'ny lavaka lehibe famorian-drano izay ao Seko izy ka nanontany hoe: Aiza Samoela sy Davida? Ary hoy ny anankiray: Indreo ao Naiota any Rama izy. 23 Dia nankany Naiota any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin'Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama. 24 Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan'i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan'ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan'ny mpaminany?Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 19.19-24; 20.1-4
1-Mifofo ny an’i Davida i Saoly
Intelo naniraka olona hisambotra an’i Davida izy , nefa tsy nahomby. Tsy nahavelona eritreritra azy izany fanakanan’ Andriamanitra ny teti-dratsiny izany , fa mbola lasa ihany koa izy tenany . Tsarovy fa misisika mafy hamely antsika ny fahavalontsika . Aoka anefa hatoky isika fa « Raha Andriamanitra no momba antsika iza ny hahatohitra antsika ? » (Rom 8.31).
2-Manova ny zava-dratsy sainin’ny olona ny Tompo
Mahalala am-po tsy miloaka Andriamanitra ary afaka mandrava sy manafoana ny fikasan-dratsy rehetra hamonbjeny ny olony . Na dia i Saoly voalaza tany aloha fa nialan’ny Fanahy masina aza dia niasan’ny Fanahy masina indray eto hahafoana ny asa ratsiny (1 Sam 19.19-24). Fantaro àry fa hain’ Andriamanitra hahodina hahasoa ny mpanompony na ny teti-dratsin’ny fahavalo aza.
3-Aza mamoy fo
Na dia nanao izay hahafaty an’i Davida aza i Saoly , i Jonatana kosa raiki-pitia tamin’iDavida.Tena fampaherezana izany , fa na fofoina noho ny maha- olon’ Andriamanitra aza ianao ,misy mandrakariva ny hafa , tena olon’ Andriamanitra koa, tia sy vonona hanasoa anao .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra