Fandalinana ny Boky 1 Samoela

Mofonaina anio: Zoma, faha 30 Novambra 2018

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 17.17-30
17 Ary hoy Jese tamin'i Davida zanany: Ento ity lango eran'ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an'ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin'ny rahalahinao. 18 Ary ento ho an'ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho. 19 Ary Saoly sy izy telo lahy mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely dia teo amin'ny lohasaha Elaha niady tamin'ny Filistina. 20 Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman'olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian'i Jese azy; ary tonga teo amin'ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon'ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin'izay. 21 Fa ny Isiraely sy ny Filistina efa nilahatra hiady ka nifanatrika ny miaramila. 22 Ary Davida namela ny entany teo anilan'ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin'ny laharan'ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin'izay toetry ny rahalahiny. 23 Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, tamy niakatra avy teo amin'ny laharan'ny miaramilan'ny Filistina ilay mpihantsy ady, lehilahy Filistina avy any Gata, Goliata no anarany; ary niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren'i Davida. 24 ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy. 25 Ary hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon'ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin'ny Isiraely ny tarana-drainy. 26 Ary hoy Davida tamin'ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin'izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona? 27 Ary ny olona namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin'izay lehilahy mahafaty azy. 28 Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin'ny olona dia nirehitra tamin'i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midina et?? Ary amin'iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian'ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao et?. 29 Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa? 30 Ary niala teo aminy hankany amin'ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona namaly azy tahaka ny teo ihany indray.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 17.17-30

1-Mila fifanohanana ny fiatrehana ny ady :

I Jese , rain’i Davida dia nihevitra  manokana an’ireo zanany  niady ho an’ny firenena ka naniraka an’i Davida hijery sy hanohana azy ireo (and 17-18).toy izany koa , adidintsika ny mifanolo-tànana sy mitrotro amam-bavaka ireo izay miatrika ady manokana. Rehefa tsy afaka handeha hiantafika masina ianao , tohano  ireo handeha hirotsaka any an-tany fiadiana.

2-Mila manadihady tsara vao  manapa-kevitra

Tonga teo i Davida  , nahita ny zava-niseho ary nanontany tetsy sy teroa . Tena fahendrena izany : mamantatra tsara ny  zava-misy aloha , manoloana ny fahavalo. Ny  zavatra reny nambaran’i Goliata sy hitany tamin’ny fihetsik’ireo miaramilan’Israely dia nanampy azy hahita  izay hatao .

3-Mila  mijoro  ho mpampahery  fa tsy ho mpanakivy

Rehefa hitany ny zava-nisy dia niteny izy . »Fa zinona  moa io Filistina tsy mifora io no dia hihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona? « (and26). Teny fampaherezana lehibe izany satria miaramila nivadi-po no nanodidina azy . Izy no namelona  tao am-pon’izy ireo fa »miaramilan’ Andriamanitra velona » izy. Isika koa, raha mbola mijery an’i Jesoa isika , tsy maintsy mahery sady tonga mpampahery ny hafa.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3