Fandalinana ny Boky : 1 Samoela 

Mofonaina anio: Zoma, faha 30 Novambra 2018

Fandalinana ny Boky : 1 Samoela 

1 Samoela 17.1-16
1 [Ny amin'i Davida sy Goliata] Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima. 2 Ary Saoly sy ny lehilahy amin'ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin'ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin'ny Filistina. 3 Ary ny Filistina dia teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany. 4 Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin'ny tobin'ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany 5 Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra*, ka ny lanjan'ny akanjony varahina dia dimy arivo sekely.[Vy na varahina nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano] 6 Ary nanao fiarovan-dranjo varahina tamin'ny tongony izy ary lefom-pohy varahina teo an-damosiny. 7 Ary ny haben'ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany. 8 Ary nijanona izy, dia niantso ny miaramilan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon'i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina et? amiko. 9 Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay. 10 Ary hoy ilay Filistina: Izaho efa nihaika ny miaramilan'ny Isiraely androany; amoahy lehilahy iray aho hiady amiko. 11 Ary raha ren'i Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin'ilay Filistina izany, dia nivadi-po izy ka raikitahotra loatra. 12 Ary Davida dia zanak'ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin'ny andron'i Saoly; 13 ary ny zokiny telo lahy tamin'ny zanak'i Jese lasa nanaraka an'i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran'ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony; 14 ary Davida no faralahy; ary izy telo lahy zokiny lasa nanaraka an'i Saoly; 15 fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin'i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema. 16 Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro.

Fandalinana ny Boky : 1 Samoela 

1 Samoela 17.1-16

1-Amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana :

Atody miady amam-bato ny Israely rehetra manoloana an’i Goliata (and4-7).Ny fitaovana  entiny miady toy izany koa isika raha sanatria ka ataontsika tsara  pirina  ny Baiboly , satria  tsy iainana sy halalinina , ka rehefa milaza hevi-diso ireo sandoka dia mivalaketraka isika . Tsy azontsika adinoina koa fa fahavalo  lehibe  sy masiaka  no ifanandrinantsika . Fahavalo tsy hitsitsy antsika izany fa hampanompo antsika raha maharesy antsika.Mila miambina hatrany isika tsy ho babon’i satana sy ny fahotana.

2-Amin’ny fihaikana olona :

Toy ny nataon’i Goliata teto dia mihaika antsika koa ny fahavalon’ ny  finoana kristiana sy ny fomban’izao tontolo izao .Te-hirehareha eo imasontsika  izy ireny fa izy no mahery ary tsinotsinona isika. Hatahotra toa an’i Saoly sy ireo miaramilan’Israely ve isika (and11) sa hijoro? Tsarovy fa i Jesoa  aza sahin’i satana nohatonina ka nalaina fanahy (Mat 4.1-11). Koa tsy matahotra hanatona antsika izy . Anjarantsika ny mahatsiaro izany ka tsy hatahota-poana fa hiambina lalandava kosa.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra