Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Novambra 2018

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 14.23-34
23 Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin'izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady. 24 Ary ory ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza. 25 Ary ny olona rehetra amin'ny tany* dia niditra ny ala; ary nisy tantely teny ambonin'ny tany.[Heb. ny tany rehetra] 26 Ary rehefa tonga teo anaty ala ny olona, indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy olona sahy nanainga ny tànany ho amin'ny vavany, fa natahotra ny fianianana izy. 27 Fa Jonatana kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-tànany ka natsobony teo amin'ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny tànany, ka dia nazava ny masony. 28 Ary nisy olona anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny olona. 29 Dia hoy Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin'ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he! izato fahazavan'ny masoko tamin'ilay nanandramako kely tamin'ity tantely ity. 30 Ka mainka fa raha navela hihinanan'ny olona ny babo azony tamin'ny fahavalony, tsy ho nahafatesana be lavitra va ny Filistina? 31 Ary izy ireo namely ny Filistina tamin'izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona. 32 Dia nanaovan'ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby izy, dia namono azy teo amin'ny tany, ka dia nohanin'ny olona mbamin'ny ràny. 33 Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin'ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe et? amiko anio. 34 Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin'ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny et? amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin'i Jehovah amin'ny fihinanana zavatra mbamin'ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin'izany alina izany ka namono azy teo.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 14.23-34

1-Ilaina izany amin’ny ady sarotra atrehina 

Fanafoanan-tena ary fikatsahana sy faniriana hanjakan’ny herin’ Andriamanitra feno no tanjon’ny fifadian-kanina. Tsapan’i Saoly ny hasarobidin’izany nanoloana ny  ngidin’ny fahakiviany , hany ka raha hitany  ny tsiri-panantenan’ny fandresena dia namoaka izay  ho didy  izy (and24-26). Na inona na inona anefa endri-bavaka hatao, dia tsy ny  fombam-pivavahana no hahazoana valiny fa araka ny  sitrapon’ Andriamanitra (Lio 22.42)

2-Atao ifampitsinjovana :

Ny  tontolo sy ny endriky ny ady hatao , ny hery rehetra mandray anjara amin’izany dia tokony ho fantatra tsara. Hadinon’i Saoly fa « ny herin’ny olona entiny » dia tena ambivitra amin’ny lafiny rehetra , kanefa mbola nodidiana hifady hanina ireo. Jesoa tyamin’ireo Apostoly 11 lahy sisa(Mat 26.36-46) dia mbola nifidy telo lahy heveriny  fa hahazaka i  fombam-pivavahana io. Nilaza Izy fa mety ihany  ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery  » (Mat 26-41b). Ny fifadian-kanina mahomby dia izay voalanja. Fiainana fa tsy lalàna ny fivavahana kristiana. Tsy ambanin’ny lalàna isika fa ambany fahasoavana (Rom 6.14b).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra