Fandalinana ny  Boky 1 Samoela

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Novambra 2018

Fandalinana ny  Boky 1 Samoela

1 Samoela 14.1-10
1 Ary tamin'ny indray andro dia hoy Jonatana, zanak'i Saoly, tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ny Filistina izay er? an-dafy er?. Nefa tsy nilaza tamin-drainy izy. 2 Ary Saoly nitoetra tao an-tsisin'i Gibea teo ambanin'ny hazo ampongabendanitra any Migrona; ary ny vahoaka teo aminy dia tokony ho enin-jato lahy; 3 ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak'i Ahitoba, rahalahin'i Ikaboda, zanak'i Finehasa, zanak'i Ely, mpisoron'i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana. 4 Ary teo an-daniny roa teo an-tenatenan'ny hadilanana izay nitadiavan'i Jonatana hankanesana ao amin'ny miaramilan'ny Filistina dia nisy harambato kitso loha: ny anaran'ny anankiray dia Bozeza, ary ny anaran'ny anankiray kosa Sene. 5 Ny iray amin'ireo harambato ireo dia nijoro avo teo andaniny avaratra manandrify an'i Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an'i Gibea. 6 Ary hoy Jonatana tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an'i Jehovah tsy hamonjy, na amin'ny maro, na amin'ny vitsy. 7 Dia hoy kosa ny mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa ihany; indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao. 8 Ary hoy Jonatana: Indro, handroso ho amin'ireo olona ireo isika ka hiseho aminy. 9 Ary raha hoy izy: Andraso mandra-pahatonganay any aminareo, dia hitoetra ao amin'izay itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy. 10 Fa raha hoy kosa izy: Miakara et? aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika.

Fandalinana ny  Boky 1 Samoela

1 Samoela 14.1-10

1-Aza mitomoemoe-poana:

Fahavalo mikatsaka fatratra ny hahafongotra ny Israely ny  Filistina , fa sady maroanisa , be fitaovana sy arifomba (1Samoela 13.17-17). I Saoly sy  ireo olom-bitsy teo  aminy  anefa « mandrimandry manana aretina » (and 2). I  satana miaraka amin’ireo miaramilany sy ireo fitaovany miha-RAITRA ankehitriny dia manao izay handavo  sy hanakana antsika tsy handova fiainana mandrakizay . Aoka tsy ho varimbaiana amin’ny seha-pibeazana sy fanabeazana isika .

2-Mandraisa andraikitra :

Ny tontolo sy zavaboahary dia nomen’ Andriamanitra  hanohana sy hanampy ny  olona (and4-5). Ao koa ny  olona mendrika sy mahatoky nomen’ Andriamanitra ho tena namana sy ho  mpiara-miasa (and1,6-7). I Jonatana , niaraka  tamin’ny  mpanompony  dia niroso hiady tamin’ny Filistina ary nametraka famantarana hahalalany ny tokony hatao . Ianao koa, sahia mandray andraikitra amim-pahamalinana. Aza miezaka miady irery anefa , na matoky tena foana. Fantaro tsara ny sitrapon’ny Tompo.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3