Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

Mofonaina anio: Talata, faha 20 Novambra 2018

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 12.16-25;13.1-5
16 Koa mitsangàna ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon'i Jehovah eto imasonareo izao: 17 Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an'i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason'i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo. 18 Ary Samoela niantso an'i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin'izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an'i Jehovah sy Samoela indrindra. 19 Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin'i Samoela: Mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrao ho an'ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin'ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay. 20 Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an'i Jehovah; fa manompoa Azy amin'ny fonareo rehetra. 21 Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo. 22 Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak'i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony. 23 Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin'i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy. 24 Kanefa matahora an'i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao. 25 Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 12.16-25;13.1-5

1-Tariho ho amin’ny fibebahana ny  olona .

Tsy ny mandatsa izay  diso  no zava-dehibe , fa ny  mitaona azy hibebaka . Efa fomban’ny Fiangonana hatrizay izany (Asa 2.37-39), ary tokony ho fombanao koa.

2-Omeo toky ny  olona mibebaka .

Tsy misy marina na dia iray aza , ka mendrika ho faty  avokoa(Rom 6.23). Kanefa ny hamonjy  ny  mpanota no sitrak’ Andriamanitra, tahaka izao namindrany fo tamin’Israely izao :« Aza matahotra« (and20).

3-Mijoroa ho mpanalalana ny vahoaka amin’ Andriamanitra.

Mitondra ny tenin’ Andriamanitra ho  azy  ary  mivavaka ho  azy mba hahazoany famonjena . Tena nahatezitra an’i Samoela tokoa ny vahoaka saingy fantany fa sitrak’i Jehovah ny nanaovany an’ireo ho olony (and22), ka dia nomeny toky izy  fa hijoro hatrany amin’izay fampihavanana ny  olona amin’ Andriamanitra izay izy , toa an’i Jesoa  izay mpanalalana antsika amin’ny Ray (1 Tim 2.5). Ny adidinao? Taomy  hihavana amin’Andriamanitra izao tontolo izao .

Raiso ny Tenin’ Andriamanitra