Fandalinana ny Boky : 1Samoela 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 19 Novambra 2018

Fandalinana ny Boky : 1Samoela 

1 Samoela 12.1-15
1 [Ny anatra nataon'i Samoela tamin'ny Isiraely noho ny nangatahany mpanjaka] Ary hoy Samoela tamin'ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin'izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo. 2 Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany. 3 Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan'i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin'iza moa no nalaiko? na borikin'iza no nalaiko? na an'iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan'iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany. 4 Ary hoy ireo: Hianao tsy nanao an-keriny taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-tànan'olona na dia iray akory aza. 5 Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy. 6 Ary hoy Samoela tamin'ny olona: Jehovah no nanendry an'i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta. 7 Koa ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan'i Jehovah aho ny amin'ny asa marina rehetra izay nataon'i Jehovah taminareo sy ny razanareo. 8 Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin'i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an'i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin'ity tany ity. 9 Nefa raha nanadino an'i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tànan'i Sisera, komandin'ny miaramilan'i Hazora, sy ho eo an-tànan'ny Filistina ary ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Moaba, ka niadian'ireo izy. 10 Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an'i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao. 11 Ary Jehovah efa naniraka an'i Jerobala sy Bedana* sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.[Na: (Baraka)] 12 Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan'ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo. 13 Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo. 14 Enga anie ka hatahotra an'i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo. 15 Fa raha tsy mihaino ny tenin'i Jehovah kosa ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo ny tànan'i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.

Fandalinana ny Boky : 1Samoela 

1 Samoela 12.1-15

1-Mpitsara manaiky hanambara ny fananany :

Nanontany ny vahoaka ny amin’ny fomba nitantanany ny firenena i Samoela . Maromaroa ny  mpitondra manaiky hanambara  fananana sy handini-tena eo imason’ny vahoaka toy izany . I Paoly koa mba toy izany (Asa 20.23). Aoka isika ho marina eo  amin’ny fitantanana ny haren’ Andriamanitra .

2-Mpitsara vonona hananatra ny vahoaka 

Nampahatsiahin’i Samoela ny vahoaka ny làlana efa nitondran’ Andriamanitra azy  ireo  sy ny fisisihany hahazo mpanjaka izay mariky ny fandavany tsy hanjakan’ Andriamanitra . Aza avela hanarampo amin’ny ratsy ny olona , fa mananara azy (Eze 3.18).

3-Mpitsara manoro ny toetra tokony hananan’ny vahoaka 

Matahotra, manompo , mihaino ny feony , tsy mandà ny didiny ary manaraka an’i Jehovah. Izany no làlana tsara ho an’ny Israely. Ho loza kosa raha mandà sy tsy mihaino Azy fa hamely azy i Jehovah . I Jesoa koa dia nilaza mazava fa fiainana no ho an’izay mandray Azy , fa fahaverezana kosa ho an’ireo mifikitra amin’ny ratsy . Anao ny  safidy.

Raiso ny  Tenin’ Andriamanitra