Fandalinana ny Boky 1 Samoela
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 17 Novambra 2018
Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 10.13-27
13 Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin'ny fitoerana avo. 14 Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saoly taminy sy tamin'ny mpanompony: Taiza no alehanareo? Ary hoy izy: Nitady ny boriky izahay; ka nony tsy hitanay izy, dia nankany amin'i Samoela izahay. 15 Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saoly: Masìna ianao, lazao amiko izay nolazain'i Samoela taminao. 16 Dia hoy Saoly tamin'ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain'i Samoela ny amin'ny fanjakana tsy mba nambarany taminy. 17 Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin'i Jehovah 18 ka nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tanan'ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo. 19 Nefa ianareo kosa efa nandà an'Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin'ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan'i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy. 20 Dia nampanatona ny firenen'Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen'i Benjamina no voafidy. 21 Dia nampanatona ny firenen'i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon'ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak'i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy. 22 Dia nanontany tamin'i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin'ny entana izy. 23 Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan'ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany. 24 Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin'i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin'ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka. 25 Ary Samoela nilaza tamin'ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin'ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan'i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin'i Samoela ho any an-tranony avy. 26 Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin'ny tànan'Andriamanitra ny fony. 27 Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an'i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 10.13-27
1-Tanterak’i Samoela ny adidiny
Vitany ny famoriana ny vahoaka.Vitany ny fanambarana ny Tenin’ Andriamanitra .Vitany ny fanolorana an’i Saoly teo amin’ny vahoaka . Nandeha hatramin’ny faran’ny adidiny izy.Enga anie ny tomponandraikitra rehetra hahatozo toy izany ka tsy hisy alaim-panahy hitsoa-pahana eny an-tenatenan’ny andraikiny .
2-Fanetren-tena sa tsy fatokiana ?
Izany no fanontaniana mby no an-tsaina rehefa mahita ny fihetsik’i Saoly . Tamin’ny voalohany , raha niresaka tamin-drainy izy dia tsy nambarany ny amin’ny fanjakana (and 16). Rehefa voalaza indray fa izy no voafidin’ny Tompo dia niery tao amin’ny entana izy (and22).Enga anie ka ho fanetrentena sy tsy fitiavana hisehoseho no anton’izany . Fa raha izany dia tena tsara tokoa!
3-Faka tahaka ny fahendreny !
Ny fiafaran’ny fitantarana ity dia izao : »nefa i Saoly dia tahaka ny marenina« teo anoloan’ireo ratsy fanahy nanazimbazimba azy. Tena soa fianatra izany , fa tsy izao tenin’ adala rehetra izao akory no tokony ho henoina sy halatsaka am-po hahakivy eo amin’izay niantsoan’ny Tompo , na handeha hovaliana hanamparana fahefana satria , efa mpanjaka izy , nandre kanefa tsy namaly .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra