Fandalinana ny Boky : 1 Samoela
Mofonaina anio: Zoma, faha 16 Novambra 2018
Fandalinana ny Boky : 1 Samoela
1 Samoela 9.15-27
15 Ary Jehovah efa nanambara tamin'i Samoela omalin'ny andro nahatongavan'i Saoly ka nanao hoe: 16 Rahampitso toy izao dia hampandehaniko ho at? aminao ny lehilahy anankiray avy amin'ny tanin'ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka hamonjy azy amin'ny tanan'ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa mby et? amiko ny fitarainany. 17 Ary nony hitan'i Samoela Saoly, dia hoy Jehovah taminy*: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hanjaka amin'ny oloko.[Heb. Jehovah namaly azy hoe] 18 Ary Saoly dia nanatona an'i Samoela teo am-bavahady ka nanao hoe: Masìna ianao, atoroy ahy ny tranon'ny mpahita. 19 Ary Samoela dia namaly an'i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin'ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao. 20 Ary aza malahelo ny amin'ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an'iza ny zavatra irina rehetra eo amin'ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va? 21 Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin'ilay kely indrindra amin'ny firenen'Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin'ny mpianakavin'ny firenen'i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao? 22 Ary Samoela dia nitondra an'i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin'ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha teo amin'izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo. 23 Ary hoy Samoela tamin'ny mpanao nahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe. Tehirizo ity. 24 Dia nalain'ny mpanao nahandro ny soro-kena* mbamin'ny eo aminy ka napetrany teo anoloan'i Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao, koa hano; fa ho amin'izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao hatramin'izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia niara-nihinana tamin'i Samoela androtrizay.[Na: fe] 25 Ary izy roa lahy nidina avy tao amin'ny fitoerana avo hankany an-tanàna, ary dia niresaka tamin'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela. 26 Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela. 27 Ary nony nidina teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.Fandalinana ny Boky : 1 Samoela
1 Samoela 9.15-27
1-Mendri-piderana i Samoela!
Ny antony ? satria nandeha tamin’ny fankatoavana an’Andriamanitra izy ka namita ny fanosorana an’i Saoly ho mpanjaka . Tsy azo adinoina fa ny fanosorana mpanjaka dia fanokafana takila vaovao ary famaranana indrindra koa ny asa maha-mpitsara azy. Fa nataony tsy isy fisalasalana anefa izany .
2-Marina ny Tenin’ ny Tompo
Nampitondra teny an’i Samoela ny Tompo ny amin’ireo famantarana telo sosona ho hitany,ary tanteraka soamantsara izany.Porofon’ny fahamarinan’ny maha- avy amin’ny Tompo ny fanosorana an’i Saoly . Mahatoky mantsy ny Tompo ary azo antoka izay lazainy . Tena fanorenana tao am-pon’i Saoly ny fatokiana ny Tompo izay nanosotra azy ho mpanjaka koa izany .
3-Tonga olom-baovao i Saoly
Ny zava-nitranga tamin’i Saoly dia mahavelom-paniriana hoe:enga anie ny olom-boahosotra tahaka an’i Saoly rehetra mba hanandrana izay niseho taminy koa hoe: »hilatsaka aminao ny Fanahin’i Jehovah« dia ho voaova ho olom-baovao (and9). Fa raha manana mpitondra toy izany , na ny firenena na ny fiangonana dia ho hafa ny zava-misy iainan’ny vahoaka.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra