Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Novambra 2018

andalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 6,14 - 7,1
14 Ary ny sariety tonga teo an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita, dia nijanona teo, ary nisy vato lehibe teo; dia namaky ny hazon'ny sariety ny olona ka nanatitra ny ombivavy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah. 15 Ary ny Levita nampidina ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran'ny fanaka volamena, ka nametraka azy teo ambonin'ny vato lehibe; ary tamin'izany andro izany ny mponina tao Beti-semesy nanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'i Jehovah. 16 Ary raha hitan'ireo andriana dimy tamin'ny Filistina izany, dia niverina nankany Ekrona androtrizay ihany izy. 17 Ary izao no sary volamenan'ny vay naterin'ny Filistina ho fanati-panonerana ho an'i Jehovah: an'i Asdoda iray, an'i Gaza iray, an'i Askelona iray, an'i Gata iray, an'i Ekrona iray; 18 ary ny totozy volamena dia araka ny isan'ny tanàna rehetra an'ny Filistina, izay an'ireo andriana dimy, an'ny tanàna mimanda, na ny vohitra any ivelany, ka hatramin'ny vato lehibe izay nametrahany ny fiaran'i Jehovah; ary mbola any an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita mandraka androany izany. 19 Ary Jehovah namely ny mponina tao Beti-semesy noho ny nijerijeren'ireo ny fiarany, ka dia olona fito-polo amby dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian'i Jehovah, ka be dia be no maty. 20 Ary hoy ny mponina tao Beti-semesy: Iza no mahajanona eo anoloan'izao Jehovah Andriamanitra masina izao? Ary ho amin'iza no hiakarany, rehefa miala amintsika? 21 Dia naniraka olona nankany amin'ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin'ny Filistina ny fiaran'i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy. 1 Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana*, ary nanamasina an'i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran'i Jehovah izy.[Na: Gebea]

andalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 6.14-21;7.1

1-Lasa fanatitra ho an’ Andriamanitra ireo ombivavy nitondra ny fiaranan’ny fanekena 

Izany hoe: voatolotra tanteraka ho an’ Andriamanitra . Fa ianao kosa , aoka ho an’ny Tompo hatrany na velona na maty  (Rom 14.9). Amin’ny androm-pahavelomana ho fanatitra velona isika , ka hazoto hanompo an’ Andriamanitra hatrany . Amin’izay dia mba hp an’ny Tompo isika rehefa maty .

2-Tsy hijerijery fotsiny fa tena hanompo

Tsy navela hitazana akory   izay ao anatin’ny vatakely  misy ny fiaran’i Jehovah ny zanak’Israely (Nom 4.20). Indrisy fa nahafatesana maro ireo tao Beti-semesy . Isika koa manolora tena hitady an’ Andriamanitra , fa tsy ho variana hijerijery ny fombam-pivavahana na handeha fotsiny.

3-Ny manamasi-tena no afaka hanatona an’ Andriamanitra 

Ny tao Kiriata-jearima  dia nitandrina fatratra ka nanendry olona  sy nanamasina azy mba hitandrina ny fiaran’i Jehovah. Aoka koa ny fitondrantenantsika sy ny fahavononan-kanompo mba ho marina sy tena mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra mba hankasitrahany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra  » Boky faha-3