Fandalinana ny Boky 1 Samoela
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Novambra 2018
Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 4.12-22
12 Ary nisy lehilahy Benjamita anankiray nihazakazaka avy tany tamin'ny miaramila ka tonga tao Silo androtrizay ihany, ary triatra ny akanjony, sady nihosin-tany ny lohany. 13 Ary raha tonga izy, indro, Ely nipetraka teo amin'ny sezany ka nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny fiaran'Andriamanitra. Ary nony tonga tao an-tanàna ralehilahy ka nilaza, dia nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra. 14 Ary rehefa ren'i Ely ny feo midradradradra, dia hoy izy: Inona izao feo mitabataba izao? Ary ilay lehilahy nanatona faingana ka nilaza tamin'i Ely. 15 Ary efa valo amby sivi-folo taona Ely tamin'izay, sady efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy. 16 Ary hoy ilay lehilahy tamin'i Ely: Izaho ilay avy tany an-tafika, ary androany ihany no nandosirako niala tamin'ny miaramila. Ary hoy izy: Nanao ahoana izay tany, anaka? 17 Dia namaly ilay nitondra teny ka nanao hoe: Nandositra teo anoloan'ny Filistina ny Isiraely, ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, Hofinia sy Finehasa, mba maty koa, sady lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra. 18 Ary nony nilaza ny amin'ny fiaran'Andriamanitra izy, dia lavo nitsilany niala tamin'ny sezany teo anilan'ny vavahady Ely, ka folaka ny vozony, dia maty izy, satria efa antitra sady mavesatra. Ary efa nitsara ny Isiraely efa-polo taona izy. 19 Ary ny vinantoni-vavy, vadin'i Finehasa, nanan'anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka. 20 Ary rehefa nadiva hiala aina izy, dia niteny ireo vehivavy nitsangana teo anilany ka nanao taminy hoe: Aza matahotra, fa velon-dahy ianao. Fa tsy namaly na nihaino izany izy. 21 Dia nataony hoe Ikaboda* ny anaran'ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely, satria efa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.[Ikaboda = Tsy misy voninahitra] 22 Ary hoy izy: Afaka tamin'ny Isiraely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 4.12-22
1-Be dia be no maty ny miaramilan’Israely
Nandositra teo anoloan’ny fahavalony izy ireo . Efa ho 34 000 no maty . Vokatry ny tsy fankatoavana ny sitrapon’ Andriamanitra izany . Tadidio fa fahafatesana no tambin’ny ota (Rom 6.23)
2-Lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra
Tena diso kajy izy ireo . Ilay nantenaina fa hamonjy amin’ny fahavalo indray no indro fa lasan-ko babo. Toy izany ilay fianteherana amin’ny hoe:Jerosalema tsy horavana , ka dia nitondra tena tamin’ny filan-dratsy ny olona tao .Kinanjo navelany ho rava. Izay itokiana mihoatra noho Andriamanitra dia horavany tsy ho eo aminao , satria mangalatra ny toerany.
3-Afaka ny voninahitry ny Israely
Ny fisian’ny fiaran’ny fanekena tao no noheverina ho fonenan’ Andriamanitra tao amin’izy ireo. Izany no antony nampihorohoro ny fahavalony manodidina . Kinanjo lasan-ko babo izany . Afa-baraka ny fiangonana rehefa midaraboka ny mpino iray . Koa izay manao azy ho efa mijoro tsara , aoka izy hitandrina fandrao ho lavo (1 Kor 10.12) .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra