Fandalinana ny Boky : 1 Samoela 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Novambra 2018

Fandalinana ny Boky : 1 Samoela 

1 Samoela 4.1-11
1 [Ny niadian'ny Isiraely tamin'ny Filistina, sy ny namaboana ny fiaran'i Jehovah] Ary tonga tany amin'ny Isiraely rehetra ny tenin'i Samoela. Dia nandeha ny Isiraely hiady tamin'ny Filistina ka nitoby teo anilan'i Ebenezera; ary ny Filistina kosa nitoby tany Afeka. 2 Dia nilahatra ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin'ny Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha. 3 Ary rehefa tonga tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon'ny Isiraely: Nahoana no, namely antsika teo anoloan'ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, ka raha tonga eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika. 4 Dia naniraka nankany Silo ny olona haka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima; ary tao Silo, teo amin'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra, izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa. 5 Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany. 6 Ary rehefa ren'ny Filistina ny hoby, dia hoy izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin'ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny fiaran'i Jehovah. 7 Dia raiki-tahotra ny Filistina ka nanao hoe: Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary hoy koa izy: Mahita loza isika! fa tsy mbola nisy toy izao. 8 Mahita loza isika! Iza no hamonjy antsika amin'ny tànan'ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin'ny kapoka rehetra tany an-efitra. 9 Mahereza, ary aoka hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo ianareo tahaka ny nanompoany anareo; misehoa ho lehilahy ianareo, ka miadia. 10 Ary niady ny Filistina, dia resy ny Isiraely, ka samy nandositra ho any an-dainy avy izy rehetra, ary be dia be no maty, dia lehilahy telo alina mandeha an-tongotra tamin'ny Isiraely no niampatrampatra. 11 Dia lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, ary maty izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.

Fandalinana ny Boky : 1 Samoela 

1 Samoela 4.1-11

1-Nahoana  no namely antsika teo anoloan’ny Filistina I Jehovah androany? Miroso amin’ny ady ny zanak’ Israely , nefa tsy mba nanontany an’ Andriamanitra akory. Azo antoka fa nosakanany izy raha nanontany  Azy . Toa te-hiteny  ireto olona ireto hoe: anay ny ady fa  Jehovah hangina . Tsy mahagaga raha resy izy ireo . Ianao  kosa , miantehera mafy amin’ilay afaka mampandresy anao.

2-Tsy i Jehovah fa ny fiaran’ny fanekena no ianteherana : Heverin’izy ireo fa hampahomby amin’ny ady ny fianteherana amin’ny fiaran’ny fanekena. Diso finoana izy fa miantehatra amin’ny zavatra hita maso fotsiny . Toy ny taranany tato aoriana ihany izay mitoky amin’ny Tempoly (Jer 7.4). Tandremo  fa  Andriamanitra no itokiana fa tsy anaram-piangonana na ny fombafomba .

3-Tanteraka ny Tenin’i Jehovah  momba ny zanak’i Ely : Noho ny ratsy nataony tao amin’ny Tempoly no nahatonga an’ Andriamanitra hilaza fa andro iray  no hahafatesan’izy roa lahy. Tanteraka izany. Mitondrà tena miendrika an’ Andriamanitra  mba tsy ho ratsy fiafara .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3