Fandalinana ny Boky: 1 Samoela

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Novambra 2018

Fandalinana ny Boky: 1 Samoela

1 Samoela 2.27-36
27 Ary nisy lehilahin'Andriamanitra nankany amin'i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin'ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon'i Farao izy? 28 Eny, nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin'ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an'ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon'ny Zanak'Isiraely amin'ny afo. 29 Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin'ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin'izay tsara indrindra amin'ny fanatitra rehetra aterin'ny Isiraely oloko? 30 Koa izany no anaovan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka. 31 Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin'ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao. 32 Ary hahita ny manjo* ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an'ny Isiraely, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao mandrakizay.[Na: fahavalo eo amin'] 33 Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo anilan'ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao*; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony.[Na: Ary ny lehilahy amin'ny taranakao izay tsy hofongorako tsy ho eo anilan'ny alitarako dia hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao] 34 Ary izao no ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy Finehasa: ho indray andro maty izy mirahalahy. 35 Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay izy. 36 Ary ho avy izay sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.

Fandalinana ny Boky: 1 Samoela

1 Samoela 2.27-36

1-Tandremo ny fitiavan-janaka

Niatraika any  amin’ Andriamanitra ny nataon’i zanak’i Ely. Tsaroany  fa ny zanany  indray no omen’i Ely voninahitra fa tsy Izy . Isika ihany koa dia mila mijery sao tia ny ray  na ny reny na ny zanaka na ny vady  mihoatra noho  i Jesoa ka tsy mendrika ho Azy (Mat 10.37)

2-Sarotiny amin’ny Voninahiny Andriamanitra 

Nanala baraka Azy i Ely sy ny taranany  dia niditra  an-tsehatra Izy.Tsy sitrak’ Andriamanitra ny olona hanala baraka Azy na hanandratra sampy homem-boninahitra . Mazava ny teniny : « ny Voninahitro  tsy omeko ny hafa « (Isa 42.8). Omeo Voninahitra Izy dia mba manome voninahitra anao .

3-Jehovah hanangana mpisorona mahatoky

Mpisorona mandeha araka ny sitrapony no hajoron’ Andriamanitra hanao ny asany , dia i Samoela izay noraisiny  ho Azy  hatramin’ny fahazaza. Nomeny  koa i Jesoa mba ho tena Mpisorona marina mba hahatanteraka ny sitrapony. Fanjaka-mpisorona no misy antsika (1Petera 2.9).Koa miezaha miaina araka ny sitrapony .

« Raiso ny TeninAndriamanitra »