Fandalinana ny Boky : 1 Samoela
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Novambra 2018
Fandalinana ny Boky : 1 Samoela
1 Samoela 2,1 - 11
1 [Fisaorana nataon'i Hana] Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho. 2 Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika . 3 Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa. 4 Tapaka ny tsipìkan'ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery. 5 Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka. 6 Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ary mampitsangana.[Heb. Sheola] 7 Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra. 8 Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin'ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin'ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin'ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an'i Jehovah ny andrin'ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao. 9 Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy* any amin'ny maizina; fa tsy amin'ny hery no handresen'ny olona.[Na: hangina] 10 Ho torotoro izay miady amin'i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony. 11 [Ny nanompoan'i Samoela teo anatrehan'i Ely, ary ny ratsy nataon'ny zanakalahin'i Ely, sy ny nampilazan'Andriamanitra ny loza hanjo azy] Ary Elkana nankany an-tranony tany Rama; fa ny zaza kosa nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely mpisorona.Fandalinana ny Boky : 1 Samoela
1 Samoela 2 .1-11
1-Mifaly amin’ny famonjen’ Andriamanitra
2- Mahalala an ‘Andriamanitra
Ny fahamasinany ,ny heriny,ny fahefany eo amin’ny olombelona dia indro fa tanisain’i Hana ato anatin’ity vavaka ataony ity. Tsy gaga isika raha tsy niantehitra tamin’ny hery hafa izy fa dia nametraka tamin’ Andriamanitra ny olana niseho taminy . Mba fantatrao ve ilay inoanao ; fa i Paoly dia mirehareha amin’izany ( 2 Tim 1.12).
3- Mananatra ny tsy hendry
Hita ato amin’ny vavaka ataony ihany koa ny valiteniny ho an’ireo izay nandatsa azy .Aza mahery miteny miavonavona , ho torotoro izay miady amin’I Jehovah. Fanehoany izany fa I Jehovah no nametrahany ny adiny ary I Jehovah koa no nampandresy azy .Tandremo izay ataonao fandrao lasa fahavalon’ Andriamanitra amin’ny fiteny sy amin’ny fihetsika tsy voahevitra ianao.Saino ny Heb 10.30 raha manana ady ianao.
“ Raiso ny Tenin’ Andriamanitra