Fandalinana ny Boky : 1 Samoela
Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Novambra 2018
Fandalinana ny Boky : 1 Samoela
1 Samoela 1.12-28
12 Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan'i Jehovah izy, dia nodinihin'i Ely ny vavany. 13 Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon'i Ely fa mamo izy. 14 Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao. 15 Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan'i Jehovah aho. 16 Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben'ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny. 17 Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen'Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy. 18 Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony. 19 Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy. 20 Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela*, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela = Nohenoin'Andriamanitra (?)] 21 Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an'i Jehovah sy ny fanalam-boadiny. 22 Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin'ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin'izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan'i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy. 23 Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain'i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy. 24 Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin'ny vantotr'ombilahy telo* sy koba iray efaha ary divay iray tavoara**, ka nentiny ho ao an-tranon'i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.[*Na: (izay efa telo taona)][**Na: siny hoditra] 25 Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin'i Ely ny zaza. 26 Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin'i Jehovah. 27 Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen'i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy. 28 Koa atolotro ho an'i Jehovah kosa izy: eny, amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an'i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy.Fandalinana ny Boky : 1 Samoela
1 Samoela 1.12-28
1-Lesona momba ny vavaka ampianarin’i Hana
Andriamanitra no ianteherana eo anoloan’ny fahoriana mahazo .Avoaka eo anatrehan’i Jehovah izay rehetra mitambesatra ao am-po , mana-paharetana rehefa mivavaka . Ianao koa ,mahaiza mametraka ny fiainanao eo Aminy.(Fil 4,6)
2- Aza mitsara araka izay miseho fotsiny
Ny fijerin’ny olona an’i Hana dia toy ny olona mamon-divay. Noheveriny ho toy ny olona ratsy fanahy izy. Hay, vehivavy manana toe-po tia vavaka. Niova ny fijeriny ka tsodrano mba hanomezan’ Andriamanitra izay nangatahiny no nataony . Tahaka ireo olona nanatrika ny nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta , hay tsy mamon-divay fa olona mandray ny Fanahy Masina (Asa 2.13). Ianao koa ,aoka ho toa an’Andriamanitra izay mijery ny fo fa tsy izay miseho (1Sam 16.7)
3- Nohenoin’ Andriamanitra ny vavaka
» Raiso ny Tenin’ Andriamanitra