Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

Mofonaina anio: Talata, faha 23 Oktobra 2018

Fandalinana ny Bokin'i Josoa 

JOSOA 24.1-15
1 [Ny teny farany nataon'i Josoa tamin'ny olona, sy ny nanaovan'ny olona fanekena mafy fa tsy hiala amin'Andriamanitra] Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo. 2 Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin'ny Ony* no nonenan'ny razanareo tany aloha. dia Tera, rain'i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy. [Eofrata] 3 Dia naka an'i Abrahama razanareo avy tany an-dafin'ny Ony* Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an'Isaka ho zanany. [Eofrata] 4 Ary Isaka koa dia nomeko an'i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seira; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta. 5 Dia naniraka an'i Mosesy sy Arona Aho ka namely an'i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho. 6 Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin'ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin'ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly. 7 Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana,sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo. 8 Ary nentiko ho any amin'ny tanin'ny Amorita, izay nonina tany an-dafin'i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho. 9 Dia nitsangana Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ka niady tamin'ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an'i Balama, zanak'i Beora, izy hanozona anareo. 10 Fa tsy nety nihaino an'i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin'ny tànany Aho. 11 Ary nita an'i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin'ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny. 12 Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, fa tsy tamin'ny sabatrao. na tamin'ny tsipìkanao. 13 Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin'ny tanim-boaloboka sy ny tanin'oliva izay tsy nataonareo ianareo. 14 Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony* sy tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah. [Eofrata] 15 Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony,1 na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

JOSOA 24.1-15

1-Todiho ny  lasa

Namory ny Zanak’ Israely i Josoa mba hampitana azy ireo ny Tenin’ Andriamanitra . Ny  ventin’ny toriteniny dia ny fampahatsiahivana ny tantara lasa : nanomboka hatrany am-piandohana (and2) ,nandalo ny fianakavian’ny Patriarka (and3-4). Ny fanafahana tany Egypta(and5-7) ,ny  dia tany  an-tany efitra sy ny loza mitatao tamin’izany (and8-10) ary ny fidirana  tany Kanana  sy ny fanomezany maimaimpoana ny tany azy  ireo (and11-13). Hitantsika eto ny hasarobidin’ny tantara ,fa tena fampianaram-pinoana lehibe izany . Mba andramo tadidina koa ny lasan’ny fiainanao ahitana ny fitondran’ Andriamanitra mahagaga!

2-Manompoa ny  Tompo

Ny lasa  dia entin’ny Tompo nampianatra fa Izy  no mitondra,hany mendrika hotompoina . Ny fitafian’i Josoa eto dia mazava .Manan-tsafidy mandrakariva isika na hanompo an’ Andriamanitra na tsia fa loza mandrakariva amin’Israely ireo sampy na ny nolovana tamin’ny razana na ny an’ireo  tompontany novantanina tao Kanana .Ary mba toy izany koa isika .Ny ohatra nomen’i Josoa dia fatratra! « fa Izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo  an’i Jehovah izahay  » Ary ianao ,ahoana? »

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 2