Fandalinana ny Bokin’i Josoa
Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Oktobra 2018
Fandalinana ny Bokin'i Josoa
JOSOA 22.9-20
9 Dia nody ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nandao ny Zanak'Isiraely tao Silo, izay ao amin'ny tany Kanana, hankany amin'ny tany Gileada ho any amin'ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin'i Jehovah nasainy nolazain'i Mosesy. 10 Ary raha tonga teo amoron'i Jordana eo amin'ny tany Kanana ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fijery izany alitara izany. 11 Ary ny Zanak'Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nanorina alitara an-tsisin'ny tany Kanana, eo amoron'i Jordana, anatin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely. 12 Ary nony ren'ny Zanak'Isiraely izany, dia niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mba hiakatra hiady aminy. 13 Dia naniraka an'i Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, ny Zanak'Isiraely ho any amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, any amin'ny tany Gileada, 14 sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin'ny Isiraely rehetra: samy lohan'ny fianakaviany tamin'ny arivon'ny Isiraely ireo. 15 Dia tonga tany amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase tany amin'ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe: 16 Izao no lazain'ny fiangonan'i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin'Andriamanitry ny Isiraely, no niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo androany tamin'ny nanorenanareo alitara ka miodina amin i Jehovah ankehitriny? 17 Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin'i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin'izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin'ny fiangonan'i Jehovah, 18 no dia mihodina miala amin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo anio? Raha miodina amin'i Jehovah ianareo anio, dia ho tezitra amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy rahampitso. 19 Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mità ho any amin'ny tanin'i Jehovah, izay itoeran'ny tabernakelin'i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin'i Jehovah, na miodina aminay, amin'ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika. 20 Tsy nandika ny didy va Akana, zanak'i Zera, tamin'ny zavatra voaozona*, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin'izany helony izany.[Heb. herema; izahao Lev. xxii. 28]Fandalinana ny Bokin’i Josoa
JOSOA 22.9-20
1-Natao laharam-pahamehana ny Tompo
Rehefa nandeha ireo firenen’i Robena sy Gada ary ny atsasak’i Manase dia ny hanorina alitara lehibe no nataony voalohany teo amin’ny zara taniny (and10). Ny alitara dia toeram-pivavahana ary zava-dehibe ny hanamarihantsika izany : ny fiainam-pivavahana sy ny fiainam-panahiny no nahamaika azy ireo. Io no toy ny nanamarihany fa zara tany avy amin’ny Tompo ary ho an’ny Tompo io taniny io. I Madagasikara koa dia atolotsika ho an’i Kristy , araka ilay teny malaza hoe: i Madagasikara ho an’i Kristy ary tokony ho faharesen-dahatra ao am-pontsika Malagasy tsy ankanavaka izany , araka ny hiram-pirenentsika .
2-Olana tsy nampoizina (and11-20)
Nony nandre ny fisian’ilay alitara anefa ny taranak’Israely sisa dia nifamory hiady tamin’izy ireo . Dia gaga isika hoe: inona no antony ? Mazava ny antony : saropiaro tamin’ny fahadiovan’ny fivavahana amin’ny Tompo izy ireo . Nihevitra izy ireo fa hamerina ny fahadisoana natao tao Peora (Nomery 25.3) na ny fahadisoan’i Akana (Josoa 7) indray ireo firenena ireo . Efa hita anefa fa loza ho an’ny firenena iray manontolo no vokany . Isika koa, sahia amin’ny fahatezerana masina hiaro ny fahadiovan’ny finoana .
Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 2