Fandalinana ny Bokin’i Josoa

Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Oktobra 2018

Fandalinana ny Bokin'i Josoa

Josoa 20,1 - 21,40
1 [Ny nifidianana ny tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe: 2 Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Fidio ny tanàna fandosirana izay nasaiko nolazain'i Mosesy taminareo, 3 handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy; dia ho fandosirana ho anareo izany mba tsy ho azon'ny mpamaly rà 4 Ary raha misy mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan'ny vavahady ary mandahatra ny teniny eo anatrehan'ny loholona amin'izany tanàna izany, dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana, mba hitoetra ao aminy. 5 Ary raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tànany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha. 6 Dia hitoetra ao amin'izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana hotsaraina, sy mandra-pahafatin'izay mpisoronabe amin'izany andro izany; dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin'ny tanàna izay nialany fony izy nandositra. 7 Dia nanokana an'i Kadesy any Galilia any amin'ny tany havoan'i Naftaly izy sy Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin'ny tany havoan'i Joda. 8 Ary dia nifidy an'i Bezera any an-efitra amin'ny tany lemaka izay an'ny firenen'i Robena izy, ary Ramota izay any Gileada, an'ny firenen'i Gada, ary Golana any Basana, izay an'ny firenen'i Manase, any an-dafy atsinanan'i Jordana, tandrifin'i Jeriko. 9 Ireo no tanàna voafidy ho an'ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tanan'ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana. 1 [Ny tanànan'ny mpisorona sy ny Levita] Ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita dia nanatona an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely 2 ka niteny taminy tao Silo tao amin'ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an'i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an'ny biby fiompinay. 3 Dia avy tamin'ny lovany no nanomezan'ny Zanak'Isiraely ny Levita izao tanàna izao sy ny tany manodidina azy avy araka ny didin'i Jehovah. 4 Dia nahazo loka ny fokon'ny Kehatita; ary ny loka azon'ny taranak'i Arona mpisorona isan'ny Levita dia tanàna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Joda sy ny firenen'i Simeona ary ny firenen'i Benjamina. 5 Ary ny loka azon'ny taranak'i Kehata sisa dia tanàna folo, avy tamin'ny fokon'ny firenen'i Efraima sy ny firenen'i Dana ary ny antsasaky ny firenen'i Manase. 6 Ary ny loka azon'ny taranak'i Gersona dia tanàna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny fokon'ny firenen'Isakara sy ny firenen'i Asera sy ny firenen'i Naftaly ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase any Basana. 7 Ary ny loka azon'ny taranak'i Merary isam-pokony dia tanàna roa ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona. 8 Dia nomen'ny Zanak'Isiraely ny Levita tamin'ny filokana ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy. 9 Dia nomeny avy tamin'ny firenena taranak'i Joda sy ny firenena taranak'i Simeona ireto tanàna hotononina ireto, 10 izay azon'ny taranak'i Arona, isam-pokon'ny taranak'i Kehata. amin'ny taranak'i Levy; fa azy ny loka voalohany. 11 Dia nomeny azy ny tanànan'i Arba*, rain'i Anàka (Hebrona izany), any amin'ny tany havoan'i Joda, mbamin'ny tany manodidina azy. [Kiriat-arba; izahao XV. 54] 12 Fa ny saha momba ny tanàna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone. 13 Dia nomeny ny taranak'i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy 14 ary Jatira sy ny tany manodidina azy ary Estemoa sy ny tany manodidina azy, 15 ary Holona sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy, 16 ary Aina sy ny tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy: tanàna sivy avy tamin'ireo firenena roa ireo; 17 ary avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany manodidina azy 18 ary Anatota sy ny tany manodidina azy ary Almona sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra. 19 Ny tanàna rehetra an'ny mpisorona, taranak'i Arona, dia telo ambin'ny folo ary ny tany manodidina azy avy. 20 Ary ny amin'ny taranak'i Rehata, dia ny Levita sisa tamin'ny taranak'i Kehata, ny tanàna azony tamin'ny filokana dia avy tamin'ny firenen'i Efraima. 21 Dia nomeny azy Sekema sy ny tany manodidina azy any amin'ny tany havoan'i Efraima, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy 22 ary Kibzaima sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra; 23 ary avy tamin'ny firenen'i Dana dia Elteke sy ny tany manodidina azy ary Gibetona sy ny tany manodidina azy. 24 ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra; 25 ary avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Tanaka sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany tany manodidina azy: tanàna roa. 26 Ny tanàna rehetra azon'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy. 27 Ary izao no azon'ny taranak'i Gersona isan'ny fokon'ny Levita; avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna roa; 28 ary avy tamin'ny firenen'Isakara dia Kisiona sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy, 29 ary Jarmota sy ny tany manodidina azy ary Enganima sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra; 30 ary avy tamin'ny firenen'i Asera dia Misala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy 31 ary Helkata sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny ràny manodidina azy, dia tanàna efatra; 32 ary avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany manodidina azy ary Kanana sy ny tany manodidina azy. dia tanàna telo. 33 Ny tanàna rehetra an'ny Gersonita isam-potony dia telo ambin'ny folo ary ny tany manodidina azy avy. 34 Ary izao no azon'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay Levita sisa: avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Jokneama sy ny tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina azy, 35 ary Dimna sy ny tany manodidina azy ary Nahalola sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra; 36 ary avy tamin'ny firenen'i Robena dia Bezera sy ny tany manodidina azy ary Jahaza sy ny tany manodidina azy, 37 ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra; 38 ary avy tamin'ny firenen'i Gada dia Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy 39 ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra izy rehetra. 40 Ny tanàna rehetra an'ny taranak'i Merary araka ny fokony, izay sisa tamin'ny fokon'ny Levita, dia tanàna roa ambin'ny folo no loka azony.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 20.1-9;21.-40

1-Andriamanitra marina Andriamanitra

Marina fa fahafatesana no  tambin’ny  ota . Ka raha nahafaty olona ny  olona iray  dia tokony ho faty  izy. Tsy  mandeha ho azy araka izany  anefa , hoy ny  Tompo, fa mila fantarina ny hoe:fanahy iniana sy  fankahalana ve no namonoany olona sa tsy nahy ? Fa raha tsy nahy , dia tokony hisy tanàna hofidina ho azony itsoahana. Tena porofon’ ny fahamarinan’Andriamanitra izany . Ary ho antsika , dia nanao mihoatra aza ny Tompo fa nomeny antsika i Jesoa ho  fialofana ho antsika , tsy  ny  amin’ny ota  tsy nahy ihany , fa tamin’ny fahotantsika rehetra . »Koa amin’izany dia tsy  misy fanamelohana ho an’izay ao amin’izay ao amin’i Kristy Jesoa « (Rom 8.1)

2-Tsy diso anjara ireo mpanompon’ Andriamanitra (Jos 21.1-42)

Na dia voalaza aza fa tsy  nomena zara tany toy ireo foko 11 hafa tamin’ny Israely ny Levita dia tsy maintsy  nomena tany onenana ihany izy ireo . Fitsinjovana ara-drariny azy ireo izany ary tsy azon’ny  fiangonana adinoina mihitsy. Ity lisitra lava notehirizin’ny Soratra masina ho antsika ity dia tena fanairana  ny fiangonana hihevitra  izany  ny  amin’ireo  mpanompon’ Andriamanitra miasa eo aminy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-2