Fandalinana ny Bokin’i Josoa
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 11 Oktobra 2018
Fandalinana ny Bokin'i Josoa
JOSOA 13.8-33
8 Ary niaraka tamin'ireo koa no nahazoan'ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen'i Mosesy azy any an-dafy atsinanan'i Jordana, araka izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy, 9 dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona, 10 ary ny tanàna rehetra izay an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, hatramin'ny faritanin'ny taranak'i Amona, 11 ary Gileada sy ny tanin'ny Gesorita sy ny Makatita sy ny tendrombohitra Hermona rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka, 12 dia ny fanjakana rehetra an'i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin'ny Refaita); fa resin'i Mosesy ireny ka noroahiny. 13 Kanefa tsy mba noroahin'ny Zanak'Isiraely ny Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely mandraka androany ny Gesorita sy ny Makatita. 14 Ny firenen'i Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy. 15 Ary nomen'i Mosesy lova ny firenena taranak'i Robena araka ny fokony 16 Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba, 17 dia Hesbona sy ny tanànany rehetra, izay eo amin'ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy Beti-bala-meona 18 sy Jahaza sy Kedemota sy Mefata 19 sy Kiria-taima sy Sibma sy Zareta-sahara amin'ny tendrombohitra ao an-dohasaha, 20 sy Beti-peora sy ny ao am-bodin'i Pisga ary Beti-jesimota 21 ary ny tanàna rehetra any amin'ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin'i Mosesy izy sy ireo andrianan'ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana izay nanoa an'i Sihona ka nitoetra teo amin'ny tany. 22 Ary Balama, mpanao fankatovana, zanak'i Beora, dia novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra niaraka tamin'izay novonoiny. 23 Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Robena dia ny amoron'i Jordana. Izay no lovan'ny taranak'i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny. 24 Ary nomen'i Mosesy koa ny firenen'i Gada, dia ny taranak'i Gada araka ny fokony. 25 Ary ny faritaniny dia Jazera sy ny tanàna rehetra any Gileada ary ny antsasaky ny tanin'ny taranak'i Amona, hatrany Aroera, izay tandrifin'i Raba, 26 ary hatrany Hesbona ka hatrany Ramatamizpa sy Betonima ary hatrany Mahanaima ka hatramin'ny faritanin'i Debira; 27 ary teo amin'ny lohasaha Beti-harama sy Beti-nimra sy Sokota sy Zafona ary ny sisa tamin'ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy ny amoron'i Jordana hatramin'ny amoron'ny Ranomasina Kinereta an-dafy atsinanan'i Jordana. 28 Izany no lovan'ny taranak'i Gada araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny. 29 Ary nomen'i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen'i Manase; ary izao no an'ny antsasaky ny firenena taranak'i Manase araka ny fokony: 30 Ny fari-taniny hatrany Mahanaima, dia Basana rehetra, izay fanjakana rehetra an'i Oga, mpanjakan'i Basana, ary ny tanàna madinika rehetra an'i Jaira, izay any Basana, dia tanàna enim-polo. 31 Ary ny antsasak'i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanàna amin'ny fanjakan'i Oga any Basana, dia an'ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, dia ho an'ny antsasaky ny taranak'i Makira araka ny fokony. 32 Ireo no voazaran'i Mosesy ho lova tany Arbota-moaba an-dafy atsinanan'i Jordana tandrifin'i Jeriko. 33 Ary ny firenen'i Levy tsy mba nomen'i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy.Fandalinana ny Bokin’i Josoa
JOSOA 13.8-33
1-Zarao ny tany , hoy ny Tompo
Raha miverina kely amin’ny and 7 etsy aloha isika dia ny Tompo no nibaiko mba hizarana ny tany . Tena hendry ny Tompo . Mandamina ny fiainan’ny fireneny sy ny fiangonany Izy. Anjarantsika ny mihaino sy mankato ny baikony mba handaminana ny fiangonana fa « Andrian’ny fiadanana« Izy (Isa 9.5)ary « Tompon’ny fiadanana« (1 Kor 14.33).
2-Sarobidy ny tantara !
Marina fa i Josoa no nasaina nizara ny tany eto , saingy izay hitantsika eto dia mbola ny ataon’i Mosesy (and32)avokoa aloha. Indraindray tokoa manko alaim-panahy isika mpitondra hihevitra fa manomboka amin’ny fahatongavantsika ny tantaran’ny asan ‘Andriamanitra . Diso anefa izany . Efa nisy mpanompon’ Andriamanitra nirahiny teo . Tsy azontsika odian-tsy hita ho toy ny tsy nisy izay niarahan’izy ireny niasa tamin’ny Tompo .
3-Tsy nomena zara tany ny Levita !
Miverina indroa eto izany (and14,33), saingy tsy hoe: tsy nahazo zara tany izy ireo dia ny mahantra indrindra, Tsia! izy ireo aza no nahazo ny tsara indrindra : « i Jehovah Andriamanitry ny Israely no lovany « (and33). Fatratra izany ! Isika koa , i JESOA no tena harentsika . Vakio ny Rom 8.32
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra