Fandalinana ny Bokin’i Josoa
Mofonaina anio: Alarobia, faha 10 Oktobra 2018
Fandalinana ny Bokin'i Josoa
JOSOA 13.1-7
1 [Ny nandidian'Andriamanitra an'i Josoa hizara ny tany ary filazana ny anjara efa nomena ny firenena roa sy sasany] Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo. 2 Izao no tany sisa tsy mbola azo: Ny tany rehetra an'ny Filistina sy ny Gesorita rehetra, 3 hatrany Sihora, izay atsinanan'i Egypta, ka hatramin'ny fari-tanin'i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an'ny Kananita, ireo andriana dimy amin'ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita 4 any atsimo, dia ny tanin'ny Kananita rehetra sy Meara, izay an'ny Sidoniana, hatrany Afeka ka hatramin'ny fari-tanin'ny Amorita, 5 ary ny tanin'ny Gebalita sy Libanona rehetra any atsinanana, hatrany Bala-gada eo ambodin'ny tendrombohitra Hermona ka hatrany akaikin'i Hamata, 6 ary ny mponina rehetra any amin'ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-maima. dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao amin'ny filokana ho lovan'ny Zanak'Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao. 7 Ary ankehitriny zarao izao tany izao ho lovan'ny firenena sivy sy ny antsasaky ny firenen'i Manase.Fandalinana ny Bokin’i Josoa
JOSOA 13.1-7
1-Antitra i Josoa .
Ny mpanompon’ Andriamanitra dia olombelona mety antitra . Lalam-piainana izany .Misy fetrany avokoa isika ary mahafinaritra ny manamarika eto fa ny tompo mihitsy no niteny tamin’i Josoa hoe: « Efa zokiolona ianao ka mandroso fahanterana « . Indraindray isika te-ho tanora lalandava , tsia! tsy maintsy ekentsika koa ny fiavian’ny fahanterana , ary hitan’ny Tompo ny fahanterantsika .
2-Be ny tany sisa tsy mbola azo
Na dia be aza ny ady nataon’i Josoa izay nandresena mpanjaka hatramin’ny 29 , ka efa nisy fitsaharana (Jos 11.23), dia tsy mbola nidika akory izany fa efa azo manontolo ny tany Kanana izay nampanantenain’nyTompo homena ny Zanak’ Israely . Ny fisian’ilay fitsaharana nampahatsiahivina teo dia fampaherezana antsika eo amin’ny asan’ Andriamanitra fa omeny fotoam-pitsaharana isika fa tsy hoe:miasa sy miady foana akory. Ny fisian’ireo tany maro mbola tsy azo kosa dia mampahatsiahy antsika fa raha mbola eto an-tany isika dia mbola hisy foana ihany ny ady hatrehina , na eo amin’ny fiainan’ny fiangonana (Israely vaovao )izany , na eo amin’ny fiainam-panahintsika manokana. Tsarovy ny teny hendry nataon’i Paoly (Fil 3.12-14).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 2