Fandalinana ny Bokin’i Josoa
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 08 Oktobra 2018
Fandalinana ny Bokin'i Josoa
Josoa 11.12-23
12 Ary ny tanàna rehetra izay an'ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon'i Josoa ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ka naringany*, araka izay efa nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28] 13 Fa ny tanàna rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran'ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran'i Josoa. 14 Ary ny fananana rehetra tao amin'ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain'ny Zanak'Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin'ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. 15 Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy mpanompony no nandidian'i Mosesy an'i Josoa; ka dia izany no nataon'i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 16 Dia lasan'i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka*, na ny tani-hay** na ny tany havoan'ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa, [*Heb. Sefela][**Heb. Arabà] 17 hatramin'ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seira, ka hatrany Bala-gada eo amin'ny lohasahan'i Libanona am-bodin'ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty. 18 Ela no niadian'i Josoa tamin'ireny mpanjaka rehetra ireny. 19 Tsy nisy tanàna izay nanao fihavanana tamin'ny Zanak'Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin'ny ady avokoa izy rehetra. 20 Fa avy tamin'i Jehovah no nanamafian'ireo ny fony hiady amin'ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona*, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.[Heb. herema] 21 Dia nandeha tamin'izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin'ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin'ny tany havoan'i Joda rehetra, ary tany amin'ny tany havoan'Isiraely rehetra: naringan*'i Josoa avokoa izy sy ny tanànany. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28] 22 Tsy nisy sisa tany amin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa. 23 Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.Fandalinana ny Bokin’i Josoa
Josoa 11.12-23
1-Araka ny nandidian’ny Tompo no natao (and15)
Ataon’ny Soratra masina mazava mihitsy izany : Araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy mpanompony no nandidian’i Mosesy an’i Josoa , ka dia izany no nataon’i Josoa . Tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ». Fatratra izany ! Mosesy no nandray ny baiko dia nampita tsy nisy raraka an-tany tamin’i Josoa . Moa mahay mandray sy mampita marina izay voaraiko avy amin’ny Tompo toy izany ve aho? Avy eo , i Josoa nandray ny baiko dia nanatanteraka tsy nisy raraka an-tany indray . Moa mahay mandray ny hafatra ampitaina amiko avy amin’ny Tompo ve aho? Ary mahay manatanteraka iay hafatra voaraiko ve aho? Ary izany dia naharitra ela (and18) . Tena ilaina ny manam-paharetana amin’ny lazon’ady . Koa mahereza!
2-Avy tamin’i Jehovah…!
Mety manaitra antsika angamba ny mandre ity teny ao amin’ny and 20 ity hoe: »avy tamin’i Jehovah no nanamafin’ireo ny fony ». Vakio ny fanazavan’i Paoly azy ao amin’ny Rom9.18-24.Fa ny faharatsian’ireo no nandringanana azy ary ny famindrampon’ Andriamanitra kosa no tsy nandringanany antsika . « Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany »(and23). Ho avy tokoa izany fotoana izany !
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-2