Fandalinana ny Bokin’i Josoa
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 04 Oktobra 2018
Fandalinana ny Bokin’i Josoa
JOSOA 10.1-11
1 [Ny nandresen'ny Isiraely ny mpanjaka dimy lahy, sy ny nahazoany an'i Kanana Atsimo rehetra.] Ary rehefa ren'i Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa afak'i Josoa Ay ka noravany* (fa araka izay nataony tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin'Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin'ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy, [Heb. nataony herema] 2 dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin'ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo. 3 Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, ho any amin'i Hohama mpanjakan'i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan'i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan'i Lakisy, ary Debira, mpanjakan'i Eglona, ka nanao hoe: 4 Miakara at? amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an'i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely izy. 5 Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin'ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin'i Gibeona ka namely azy. 6 Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho at? aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita izay monina any amin'ny tany havoana. 7 Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra. 8 Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza. 9 Ary tonga tampoka tamin'ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy. 10 Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan'ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin'ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda. 11 Ary nony nandositra teo anoloan'ny Isiraely teo am-pidinan'i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin'ny havandra noho izay novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra.Fandalinana ny Bokin’i Josoa
JOSOA 10.1-11
1-Matahotra ny fahavalo (and 1-2)
Tsarovy izany . Matahotra an’i Jesoa sy matahotra antsika anie ny devoly raha ny marina e . Tsy isika no tokony hatahotra azy . Tsarovy Mat 8.29
2-Mandrovi-tsihy ny fahavalo
Natahotra ny zanak’Israely ny Adoni-zedeka dia namory mpanjaka 4 hafa hiara-miady aminy . Dia toy izany koa : fantatry ny devoly fa kely sisa ny androny (Apo 12.12) dia manao izay ho afany izy mampihorohoro, mitady namana, mitady ny fomba rehetra hanapotehana anao nanaiky an’i Jesosy hanapotehana ny fiangonana. Miambena !
3-Nahay nila vonjy ny Gibeonita (and 6-7)
Teo anoloan’ny loza nitatao , nihazakazaka nila vonjy tamin’i Josoa rizareo noho ilay fifanekena natao. Ianao koa, fantatrao ny fanekem-piadanana sy fiainana nataon’ny Tompo taminao (Mal 2.5). Mahaiza manararaotra izany fa aza miady irery .
4-Azo antoka ny fandresena miaraka amin’ny Tompo (and 8-11)
Nanome toky an’i Josoa ny Tompo (and8). Nihetsika tamim-pahasahiana noho izany i Josoa (and10). Ny Tompo niditra mivantana namely (and11). Potika ny fahavalo ! Matokia ! mahery toy izany I JESOA nitsangana tamin’ny maty .
Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky 2