Fandalinana ny Bokin’i Josoa
Mofonaina anio: Talata, faha 02 Oktobra 2018
Fandalinana ny Bokin'i Josoa
JOSOA 9.1-16
1 [Ny hafetsena nataon'ny Gibeonita mba tsy handringanana azy] Ary rehefa nandre izany ny mpanjaka rehetra izay et? an-dafin'i Jordana, na ny tany amin'ny tany havoana, na ny tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*, na ny tany amoron'ny Ranomasina Lehibe tandrifin'i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, [Heb. Sefela] 2 dia niray hina niangona hiady amin'i Josoa sy ny Isiraely izy. 3 Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan'i Josoa an'i Jeriko sy Ay, 4 dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka* ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin'ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay, [Na: nitondra vatsy] 5 ary kapa tonta sady nitampintampina teo amin'ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo* ny mofo rehetra izay vatsiny. [Na. torotoro] 6 Dia nankany amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo. 7 Ary hoy ny Isiraelita tamin'ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo? 8 Fa hoy izy tamin'i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza ? 9 Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta 10 ary izay rehetra nataony tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, izay tany Astarta. 11 Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin'ny taninay ka nanao hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin'ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay. 12 Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin'ny andro nivoahanay hankat? aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo* izy; [Na: torotoro] 13 ary vaovao ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha. 14 Ary nangalan'ny olona ny vatsin'ireo, nefa tsy nanontany tamin'ny vavan'i Jehovah izy. 15 Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan'ny fiangonana koa dia nianiana taminy. 16 Ary nony efa afaka hateloana no nanaovany fanekena taminy, dia reny fa mifanakaiky aminy ihany ireo sady mitoetra eo aminy.Fandalinana ny Bokin’i Josoa
JOSOA 9.1-16
1-Hihavana sa hiady?
Fihetsika roa samihafa no hitantsika eto teo alohan’ny fandrosoan’ny zanak’ Israely tamin-kery. Etsy andaniny ireo mpanjakan’ny foko 6 izay « niray hina niangona an’i Josoa sy ny Israely« (and1,2). Etsy ankilany ireo Gibeonita izay nanao hafetsena nanatona ny Israely .Manoloana an’i Kristy koa dia tsy maintsy misafidy isika : hiady sa hihavana Aminy ?
2-Toa mailo ihany ry Josoa…
Raha vakina ny teny eto (and 7-13) dia nanao fanadihadiana tokoa ry Josoa , namotopototra ireto Gibeonita ireto. Ny fanontaniana nataony sy ny fanekeny hihaino azy ireo dia mitory fahamailoana tsy te hanaotao foana . Tsy ratsy izany,saingy tsy ampy!
3-…saingy diso ny tena zavatra izy ireo.
Hoy ny mpitantara raha milaza izany : »nefa tsy nanontany tamin’ny vavan’i Jehovah izy »(and14). Mampieritreritra antsika izany : tsy ampy ny fahamailontsika sy ny fahendrentsika . Tsy ampy koa ny traikefantsika toy izay nananan’i Josoa. Tsy maintsy manontany ny Tompo isika . Amin’ny alalan’ny inona ? Ny vavaka sy ny Tenin’ Andriamanitra hazavain’ny Fanahy masina .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky 2