Fandalinana ny Bokin’i Josoa

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 01 Oktobra 2018

Fandalinana ny Bokin'i Josoa

JOSOA 8.30-35
30 [Ny nanoratan'i Josoa ny dikan'ny lalàna tamin'ny vato, sy ny namakiana ny fitahiana sy ny fanozonana teo an-tendrombohitra Gerizima sy Ebala] Ary tamin'izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, 31 araka izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah, ny Zanak'Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana. 32 Dia nosoratany teo amin'ny vato ny dikan'ny lalàn'i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely. 33 Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin'ny fiara, teo anatrehan'ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely. 34 Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin'ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàna. 35 Tsy nisy teny tamin'izay rehetra nandidian'i Mosesy, izay tsy novakin'i Josoa teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin'ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 8.30-35

1-Tsy nohadinoina ny teny efa re

Miverimberina eto ny hoe: »araka ny nandidian’i Mosesy » (and 30,33,35). I Josoa  dia namelan’i Mosesy hafatra ary hitantsika eto fa tsy nataony raraka an-tany izany hafatra izany fa izao notanterahiny izao .Enga anie mba ho toy izany no hataontsika ny  amin’ny Tenin’ Andriamanitra ampitondrainy ny  mpanompony amin’ny  toriteny sy fampianarana samihafa.

2-Nosoratana indray ny lalàna .

Ny fanoratana  indray ny lalàn’i Mosesy teo amin’ny vaton’ny alitara  natao dia firaketana izany Tenin’ Andriamanitra izany . Zava-dehibe  ny teny voasoratra toy ny  Baiboly eo an-tànantsika , fa ao am-pontsika indrindra no tokony hiraketana ny Tenin’ ny  Tompo mba tsy hanotantsika Aminy (Sal 119.11).

3-Novakiana manontolo  ny tenin’ny lalàna 

Mahaliana izany, indrindra  ho antsika izay matetika no zatra mamaky ampahampahany amin’ny Soratra masina. Ilaina ny mamaky azy manontolo .

4-Nohenoina ny ozona sy ny fitahiana

Tena mamintina ny hafatra raketin’ny lalàna ireo fitahiana  ho an’izay manaiky sy vonona hankato azy , fa ozona kosa ho an’izay mafy fo sy sofina tsy mety mihaino . Antsika tsirairay avy ny safidy.

 « Raiso ny Tenin’ Andriamanitra », Boky 2

Antananarivo 2014