Fandalinana ny Bokin’i Josoa
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 29 Septambra 2018
Fandalinana ny Bokin'i Josoa
JOSOA 8.1-13
1 [Ny nahafahan'ny Isiraely an'i Ay sy Betela] Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan'i Ay mbamin'ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny. 2 Dia tahaka ny nataonao tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin'i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna. 3 Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin'ny alina. 4 Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon'ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra. 5 Ary izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay. 6 Dia hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa izy hanao hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay. 7 Ary dia hiroatra avy ao amin'ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanàna; fa atolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy. 8 Ary rehefa afakareo ny tanàna, dia dory amin'ny afo; araka ny didin'i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho. 9 Dia nampandehanin'i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan'i Ay, teo anelanelan'i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin'ny vahoaka ihany tamin'izany alina izany. 10 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan'ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon'ny Isiraely. 11 Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin'i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr'i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan'izy sy Ay. 12 Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan'i Betela sy Ay, andrefan'ny tanàna. 13 Ary rehefa voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tanàna sy ny otrika teo andrefan'ny tanàna, dia nandeha nankeo amin'ny lohasaha Josoa tamin'izany alina izany.Fandalinana ny Bokin’i Josoa
JOSOA 8.1-13
1-Fiaingana vaovao , toromarika vaovao
An’ny Tompo ny adin’ny fiangonany . Izy no mampahery sy manoro ny tetikady harahina (and 1-2). Niova koa ny fepetra ka navelan’ny Tompo halaina ho babo ny fananana sy ny biby fiompy rehetra. Midika izany fa masi-mandidy tanteraka ny Tompo ary afa-manova izay tiany ovaina Izy . Ny hany takina amintsika dia izao ihany : mankato tsy misy adihevitra ny didiny.
2-Paikady vaovao , fanazavana vaovao
Tsy maintsy nanazava tamin’ ny antsipirihany ny paikadin’ny Tompo i Josoa . Ary nilaina izany mba hazava tsara amin’ny mpanafika rehetra ny tsy maintsy hatao. Ny mpitarika tsara rehetra dia tsy maintsy misahirana , manome toromarika mazava ho an’ny olona tarihina ny amin’ny sitrapon’ Andriamanitra tsy maintsy arahina . Marina amin’ny firenena izany eto, fa marina amin’ny fiangonana sy ny fikambanana rehetra koa .
3-Ady vaovao , firotsahana vaovao
Nisy tamin’ny mpanafika nampandehanin’i Josoa (and9), nisy koa niaraka taminy (and11). Tsy mpibaiko ambony latabatra fotsiny i Josoa fa tena nirotsaka an-tsehatra sy nandamina ny olona(and10). Izany no mpitarika tsara : tsy lasan-ko vavany fotsiny ary mahay mandamina araka ny tenin’ny olon-kendry hoe : « Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady » (Oha 24.6)
Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra