Fandalinana ny Bokin’i Josoa
Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Septambra 2018
Fandalinana ny Bokin’i Josoa
JOSOA 7.16-26
16 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nampanatona ny Isiraely araka ny fireneny avy; ary ny firenen'i Joda no notanana. 17 Dia nitondra ireo fokon'i Joda izy; ka ny fianakavian'i Zera no notanana; dia nampanatona ny fianakavian'i Zera indray isam-batan'olona izy, ka Zabdy no notanana; 18 dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, no notanana. 19 Dia hoy Josoa tamin'i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy*; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.[Na: miderà azy] 20 Ary Akana namaly an'i Josoa ka nanao hoe; Eny tokoa, izaho no nanota tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. ary izao ka izao no nataoko: 21 Nahita kapôty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin'ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voàfina ao ambanin'ny tany ao amin'ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny. 22 Dia naniraka olona Josoa, ka nihazakazaka nankany amin'ny lay ireo, ary, indro, voàfina tao anatin'ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny. 23 Dia nalainy avy ao amin'ny lay ireny ka nentiny teo amin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary napetrany teo anatrehan'i Jehovah 24 Dia nalain'i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak'i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman'osiny ary ny lainy mbamin'izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny. 25 Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin'ny afo sady nanangom-bato teo amboniny. 26 Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin'ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran'izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora*.[Akora = fampidiran-doza]Fandalinana ny Bokin’i Josoa
JOSOA 7.16-26
1-Raikitra tokoa ilay fitsarana lehibe
Tonga tokoa ilay fotoana mampihorohoro (and 16-23) : natao ny fitsarana ampahibemaso , ka tratra teo i Akana ary nibaboka . Mampalahelo fa teo izy vao nahalala nibaboka . Indraindray tokoa raha tsy vaky barara ny ratsy nataontsika , tsy mety hiaiky isika . Tena toetra ratsy anefa izany. Nafeniny tao ambanin’ny tany ireo zava-boaozona , saingy tsarovy fa tsy misy takona izay tsy ho hita , na miafina izay tsy haseho(Mar 4.22)
2-Nihatra ny famongorana
Tsy maintsy natao izany satria marina mandrakariva « fa fahafatesana no tambin’ny ota »Rom 6.23 ; Ary raha tsy izany , tsy nionona ny fahatezeran’ny Tompo (and26). Izany no fahamasinan ’Andriamanitra tsy mahazaka fahotana , ka na i Jesoa zanany lahitokana aza dia natao ho ota hamonjy antsika (2 Kor 5.21) dia tsy maintsy maty Izy.
Ny mampalahelo manokana eto dia ireo zanany lahy sy zanany vavy niaraka nofongorana tamin’i Akana koa. Soa fa misy teny fikasana hoe : « Amin’izany andro izany izy dia tsy hanao intsony hoe :ny ray no nihinana voaloboka marikivy ka ny nifin’ny zanany no madilo . Fa ny olona rehetra samy ho fatin’ny helony avy . Izay rehetra homana voaloboka marikivy dia izy ihany no hadilo nify » (Jer 31.29-30).
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra .