Fandalinana ny Bokin’i Josoa
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Septambra 2018
Fandalinana ny Bokin'i Josoa
JOSOA 7.1-15
1 [Ny fahotan'i Akana sy ny namonoana azy] Fa ny Zanak'Isiraely nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy, zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, naka tamin'ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin'ny Zanak'Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah. 2 Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan'i Betavena, atsinanan'i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an'i Ay. 3 Ary niverina tany amin'i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an'i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy. 4 Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan'ny mponina tao Ay ireo. 5 Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan'ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon'ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano. 6 Dia notriarin'i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro izy sy ny loholon'ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany. 7 Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tànan'ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin'i Jordana ihany! 8 Indrisy, Tompo ô! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan'ny fahavalony? 9 Ary ho ren'ny Kananita sy ny mponina rehetra amin'ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin'ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe? 10 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Mitsangàna; nahoana no miankohoka toy izao ianao? 11 Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin'ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin'ny entany. 12 Koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalony ny Zanak'Isiraely; miamboho eo anoloan'ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona. 13 Mitsangana, manamasina ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasina ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony. 14 Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan'i Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan'i Jehovah dia hanatona indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan'i Jehovah dia hanatona indray isam-batan'olona. 15 Koa izay azo mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin'ny afo izy mbamin'izay rehetra mety ho azy, satria nivadika ny faneken'i Jehovah izy ka nanao izay fady indrindra* teo amin'ny Isiraely.[Heb. fahadalana]Fandalinana ny Bokin’i Josoa
JOSOA 7.1-15
1-Nandika ny didy dia namela tantara ratsy(and1)
Nampalahelo fa na dia mazava aza ny didy navoakan’i Josoa hoe:atokana ho an’ny Tompo ny volamena sy ny volafotsy sy varahina ary ny vy rehetra dia mbola nandika izany ihany i Akana . Voatonona anarana mazava izy sy ny fianakaviany ary namela tantara ratsy izy mianakavy. Aza mba ho izany anie no ho amintsika sy ny fianakaviantsika .
2-Nandika ny didy dia nitera-doza ho an’ny firenena manontolo (and2-5)
Mampalahelo fa tsy izy mianakavy ihany no voa , fa ny firenena manontolo mihitsy eto.Tsy maintsy misaina izany isika tsirairay fa mahatratra ny hafa koa ny vokatry ny fahotantsika sy ny ditran’ny fontsika . Jereo ohatra ny zanaky ny mpisotro toaka maro, dia ho hitanao ny fahamarinan’izany .
3-Nandika ny didy dia ho entina eo amin’ny fitsaran’ Andriamanitra (and6-15)
Ny Tompo no mpanjakan’Israely. Rehefa niseho ny faharesena dia ny niankohoka teo Aminy no nataon’i Josoa. Tena fianatra izany. Teo no nanomezan’ny Tompo saina azy ny amin’izay tokony hatao : hanokatra fitsarana lehibe izy ka eo no hahitana izay meloka.Tsarovy fa hotsaraina isika ny amin’izay nataontsika tany amin’ny miafina rehetra, hatrao am-po mangina (1 Kor 4.5).
Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .