Fandalinana ny Bokin’i Josoa

Mofonaina anio: Alarobia, faha 26 Septambra 2018

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 6.15-27
15 Ary tamin'ny andro fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, nefa tamin'izany andro izany ihany no nanodidina ny tanàna impito izy. 16 Ary tamin'ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Manakorà! fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tanàna. 17 Dia hatolotra ho an'i Jehovah ho zavatra voaozona* ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy. [Heb. herema; izahao Lev. XXII. 28] 18 Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin'ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka amin'ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin'ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy. 19 Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masina ho an'i Jehovah; hatao ao amin'ny rakitr'i Jehovah izany. 20 Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren'ny vahoaka ny feon'ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin'izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin'izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna. 21 Ary naringany* tamin'ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman'osy, na boriky. [Heb. nataony herema] 22 Ary izy roa lahy izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan'i Josoa hoe: Mankanesa ao amin'ny tranon'ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy. 23 Dia nankao ireo zatovo nisafo ireo ka nitondra an-dRahaba nivoaka sy ny rainy aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy; dia nitondra ny mpianakaviny rehetra nivoaka izy ka nametraka azy teo ivelan'ny tobin'ny Isiraely. 24 Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin'ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah. 25 Fa Rahaba janga sy ny ankohonan'ny rainy sy ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy dia novelomin'i Josoa, ary mitoetra eo amin'ny Isiraely mandraka androany ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin'i Josoa hisafo an'i Jeriko izy. 26 Dia nilaza fanozonana Josoa tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain'ny lahimatoany no ho sazin'ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'ny faralahiny no ho sazin'ny hananganany ny vavahadiny. 27 Ary Jehovah nomba an'i Josoa, ka niely tamin'ny tany rehetra ny lazany.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 6.15-27

1-Mankato dia mahomby

Nanaraka  ireo toromarika samihafa nandritra  ny 6 andro sy ireo fepetra manokana tamin’ity andro fahafito ity ny Zanak’Israely dia izao azo izao ny fandresena miezinezina . Ianao koa, tsarovy  fa ao amin’ny fankatoavana ny Tompo  no tsiambaratelon’ny fandresena eo amin’ny fiainana .

2-Mino dia voavonjy

Ny tantaran’ny tsy nandringanana  an-dRahaba janga  sy ny fianakaviany izay niverimberina amin’ireto and ireto (17,22,23,25) no mampianatra  antsika izany . Ny fandraisan-dRahaba janga  ireo iraka fony  nisafo tany dia noho ny FINOANY ka nahatafiditra azy ao amin’ny firazanan’ny Ran’i JESOA (Mat 1.5) .Ary tanteraka taminy  ny teny hoe : « Minoa an’i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao »(Asa 16.31). Marina amiko sy aminao koa izany . Minoa dia ho voavonjy ianao.

3-Mandresy dia mitandrina

Miverimberina eto koa ny fampitandremana ny amin’ny zavatra voaozona  (and17,18,19,24,26) .Fakampanahy tsy mora resena  ho an’ny mpiady tamin’izany ny hoe :mamabo ianao, nefa tsy ho anao ny babo. Nohafatrafarana  mafy hitandrina  anefa  izy ireo . Isika koa , rehefa nandresy miaraka  amin’nyTompo ,ny fadintsika dia ny fahotana .Vakio  1 Mpanjaka 16.34.

Ho an’ Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra.