Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

Mofonaina anio: Talata, faha 25 Septambra 2018

Fandalinana ny Bokin'i Josoa 

Josoa 5,13 - 6,14
13 [Ny nisehoan'ny Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa, sy ny nahafahan'ny Isiraely an'i Jeriko] Ary nony teo akaikin'i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman'ny fahavalonay? 14 Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin'ny miaramilan'i Jehovah ka tonga at? ankehitriny. Dia niankohoka tamin'ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin'ny mpanomponao, Tompokolahy ? 15 Dia hoy Ilay Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany. 1 Ary nihidy mafy Jeriko tamin'izany noho ny Zanak'Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra. 2 Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tananao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin'ny lehilahy mahery. 3 Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany. 4 Ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiara; ary amin'ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanàna, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara. 5 Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon'ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin'izay ny màndan'ny tanàna, ary hiakatra samy hizotra amin'izay hitsiny avy ny olona. 6 Dia niantso ny mpisorona Josoa, zanak'i Nona, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiaran'i Jehovah. 7 Dia hoy izy tamin'ny vahoaka: Mandehana, ka manodidina ny tanàna, ary aoka ny olona efa voaomana hiady handeha eo alohan'ny fiaran'i Jehovah. 8 Ary rehefa niteny tamin'ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nanaraka azy. 9 Ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan'ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodi-lalana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara. 10 Ary ny vahoaka efa noraran'i Josoa hoe: Aza manakora na mamoaka feo na miloa-bava akory aza mandra-pahatongan'ny andro hanaovako aminareo hoe: Manakorà! dia vao amin'izay ianareo no hanakora. 11 Ary nanodidina ny tanàna indray mandeha ny fiaran'i Jehovah; dia nankany an-toby ny olona ka nitoetra tany. 12 Dia nifoha maraina koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'i Jehovah. 13 Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'ny fiaran'i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran'i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara. 14 Dia nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin'ny andro faharoa ka niverina tany an-toby; henemana no nanaovany toy izany.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

JOSOA 5.13-15;6.1-14

Tena fampaherezana lehibe ho antsika izay  voatantara eto:

1-Hiatrika ady ka vangian’ny Tompo

Izany no hitantsika eo amin’ny Jos 5.13-15, mitohy amin’ny 6.2-5. Izany no fiainana kristiana  manomboka amin’ny fihaonana amin’ny Tompo , andraisana ny  heriny ny  fahamasinany ary ny tari-dàlana omeny  ny hetsika rehetra . Tsarovy izany amin’izay rehetra ataonao . Aza maimaika foana!

2-Nomena toro-làlana dia manaiky

i Josoa dia mpitarika faka tahaka . Izay toromarika nomen’ny Tompo azy dia nampitainy tamin’ny fomba mahatoky tamin’ireo olona notarihany mba hanaovana araka izay nandidiana azy (and 6-7). Ianao izay manana andraikitra !Mahatoky toy izany ve ianao ? Ianao izay tarihana , mivavaka ho an’ny  mitarika anao tahaka an’i Josoa ve ianao ?

3-Notarihana fa tsy mafy hatoka

Izany kosa no toetran’ny vahoaka eto. Mora nalamina izy ireo , satria nisy fisesiny tsy maintsy  nohajaina (and8-9) , nisy fepetra tsy maintsy notandremana dia ny fahanginana (and10), ary nisy faharetana tsy maintsy nananana (and14), fa dia  nanaiky , niaina ny fahendrena  tsara ny vahoaka. Enga anie ho  toy izany hatrany ny fiangonana sy ireo zanaka tarihan’ny raiamandreny kristiana handeha hivavaka .