Fandalinana ny Bokin’i JOSOA .
Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Septambra 2018
Fandalinana ny Bokin'i JOSOA .
Josoa 4,10 - 5,1
10 Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan'i Jordana mandra-pahavitan'ny zavatra rehetra izay nandidian'i Jehovah an'i Josoa holazaina amin'ny olona, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy an'i Josoa; dia nita faingana ny olona. 11 Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran'i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan'ny olona. 12 Ary ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan'ny Zanak'Isiraely koa, araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy. 13 Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan'i Jehovah hanafika, ho eo amin'ny tani-hay* any Jeriko. [*Heb. Arabà] 14 Tamin'izany andro izany no nanandratan'i Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny andro rehetra niainany. 15 Ary Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe: 16 Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny Vavolombelona* hiakatra hiala eo Jordana. [*Dia ny didy folo] 17 Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo. 18 Ary rehefa niakatra niala teo afovoan'i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin'ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin'ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany. 19 Ary ny olona niakatra niala teo Jordana tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo amin'ny sisin-tany atsinanan'i Jeriko. 20 Ary ireny vato roa ambin'ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan'i Josoa tany Gilgala. 21 Dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin'ny andro ho avy hoe: Inona no anton'ireo vato ireo? 22 dia hambaranareo aminy hoe: Tamin'ny tany maina no nitan'ny Isiraely ity Jordana ity. 23 Fa nataon'i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika, 24 mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tànan'i Jehovah, ary mba hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay. 1 Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita any an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin'ny Kananita any amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan'i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitany*, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak'Isiraely. [*Na: (mandra-pitantsika)]Fandalinana ny Bokin’i JOSOA .
JOSOA 4.10-24/5.1
Tonga soa ao Gilgala ny Zanak’ Israely
1-Tafita soa ny onin’ny Jordana ny olona
Hery mahagaga, fitondrana mahagaga ny fitondran’ Andriamanitra ny vahoakany,namakivaky ny onin’ny Jordana ho toy ny tany maina .Hain’ Andriamanitra ny hanao ny zavatra rehetra hampandresy ny mpanompony.Raha mino ianao dia ho hitanao ny Voninahitr’ Andriamanitra .
2-Hazavaina indry ny anton’ireo vato
Ny tsangambato dia natao ho fampahatsiahivana ieo taranaka aty aoriana momba ny famonjen’ Andriamanitra sy ny fahasoavany eo amin’ny olony .Ankehitriny aza , isika dia mbola mamertraka zavatra , tsangambato, soratra hahatsiarovana ireo zava-tsoa nataon’ Andriamanitra teo amin’ny fiainantsika .Tena manampy antsika amin’ny fampianarana ny taranaka hahatsiaro an’Andriamanitra ireny ka hitarika azy hatoky ny herin’ Andriamanitra sy ny fahefany .
3-Nangorohoro ny fahavalo
Rehefa tafita ny Zanak’ Israely dia nangorohoro ireo mpanjaka rehetra (5.1).Tsy fampaherezana ho an’ny olony ihany ny fahagagana nataon’ Andriamanitra fa fandresena ny herin’ny fahavalo mihitsy koa . Matokia , mahery i Jesoa !