Fandalinana ny Bokin’i JOSOA
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 22 Septambra 2018
Fandalinana ny Bokin'i JOSOA
JOSOA 4.1-9
1 Ary rehefa tafita an'i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin'i Josoa hoe: 2 Mangalà lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny olona, dia iray avy isam-pirenena, 3 ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin'ny folo eo afovoan'i Jordana eo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin'izay handrianareo anio alina. 4 Dia nantsoin'i Josoa ny lehilahy roa ambin'ny folo, izay nofidiny tamin'ny Zanak'Isiraely dia iray avy isam-pirenena, 5 ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan'ny fiaran'i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan'i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, 6 mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin'ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton'ireo vato ireo? 7 dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; fa raha nita an'i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely. 8 Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely araka izay nandidian'i Josoa ka naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'i Jordana, araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Josoa, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin'izay nitobiany ka napetrany teo. 9 Ary vato roa ambin'ny folo no natsangan'i Josoa teo Jordana, teo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.Fandalinana ny Bokin’i JOSOA
JOSOA 4.1-9
1-Ny Tompo hatrany no manoro ny hatao (and1-3)
Izy no nanolo-kevitra ny hangalana lehilahy iray avy isaky ny foko 12 mba haka vato eo afovoan’i Jordana . Tena mahafaly ny mahita fa mitari-dàlana ny fiangonany ny Tompo. Enga anie mba ho hitantsika ny hihaino hatrany ny teny .
2-Feno fankatoavana i Josoa(and4-7)
Dia nataon’i Josoa izay nandidian’ny Tompo azy ka nibaiko ny Zanak’ Israely izy hanao araka izany.Ary tsy hampanao ny asa fotsiny izy fa nanazava tamin’izy ireo koa ny hasarobidin’izany asa izany , dia ny fahatsiarovana ho an’ny taranaka ho avy . Mora manadino loatra mantsy isika . Ary rariny ny antson’ny mpanao salamo hoe: »aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra« (Sal 103.2) . Mpitondra mahay mankato ny Tompo toy izany no tena ilaintsika mandraka ankehitriny. Ary mpitondra mahatakatra koa ny hasarobidin’ny tantara havela ho an’ny taranaka ho avy tsy hanadinoiny ny asa mahagaga nataon’ Andriamanitra(Sal 78.5-7)
3-Nanaiky hobaikona ny vahoaka(and 8-9)