Fanazavana ny Bokin’i JOSOA.
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 20 Septambra 2018
Fanazavana ny Bokin'i JOSOA.
JOSOA 2.14-24
14 Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay. 15 Dia nampidina azy tamin'ny mahazaka avy teo amin'ny varavarankely izy; fa teo amin'ny màndan'ny tanàna ny tranony, ary teo amin'ny manda no nitoerany. 16 Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin'izay halehanareo. 17 Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin'izany fianianana nampianianinao anay izany: 18 Indro, rehefa tonga eto amin'ny tany izahay, dia hafehinao eo amin'ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin'ny ankohonan'ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao; 19 ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran'ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory; 20 fa raha tàhiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin'ny fianianana izay nampianianinao anay izahay. 21 Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin'ny varavarankely ilay kofehy jaky. 22 Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin'ny mpanenjika; ary nitady azy tamin'ny lalana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita. 23 Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin'i Josoa, zanak'i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy, 24 ka hoy izy tamin'i Josoa: Efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra antsika.Fanazavana ny Bokin’i JOSOA.
JOSOA 2.14-24
1-Nisy ny fanekena natao :
I Rahaba hitana ho tsiambaratelo ny fisafoan-tany nataon’ireo iraka.Ireo mpisafo tany kosa hanao izay azony atao hiarovany ny ain’i Rahaba sy ireo fianakaviany amin’ny fotoana hakana ny tany Kanana.
2-Nisy ny famantarana:
Ilay kofehy mena nampidinana azy roalahy avy eo am-baravarakely no hafatotra eo aminilay varavarakely ho famantarana ny trano misy ny fianakavian-dRahaba hiarovana ny ainy. Io kofehy jaky mena io , mampahatsiaro antsika ny rà natete tamin’ny tolam-baravaran’ny tranon’Israely tany Egypta ho fiarovana ny ain’ny lahimatoany (Eks 12.7,13).Ary io rà tany Egypta io dia tandindon’ny Ràn’i JESOA KRISTY , Ilay Zanakondrin’ Andriamanitra manaisotra ny fahotan’izao tontolo zao (Jao 1.29;Heb 9.14) . Ary izany dia manorina ny finoantsika fa tsy misy famonjena ho antsika ivelan’i Jesoa Kristy maty sy nitsangana tamin’ny maty ho antsika , na ny Jiosy na Jentilisa , ka nahatafiditra an’i Rahaba tao amin’ny tetiaran’i Jesoa (Mat 1.5).