Fanazavana ny Bokin’i JOSOA.

Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Septambra 2018

Fanazavana ny Bokin'i JOSOA.

JOSOA 2.1-13
1 [Ny nanirahana ny mpisafo-tany roa lahy] Ary Josoa, zanak'i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao. 2 Ary nisy nilaza tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin'ny Zanak'Isiraely tonga at? izao alina izao hisafo ny tany. 3 Dia naniraka tao amin'i Rahaba ny mpanjakan'i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany. 4 Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tat? amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany; 5 ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo. 6 Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin'ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin'ny tampon-trano. 7 Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin'ny lalana mankany Jordana hatrany amin'ny fitàna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady. 8 Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy 9 ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra anareo. 10 Fa efa renay ny nanamainan'i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin'ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo. 11 Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy et? amin'ny tany ambany. 12 Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin'i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin'ny ankohonan'ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho 13 fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.

Fanazavana ny Bokin’i JOSOA.

Manomboka izao dia  hijery mahakasika ny Boky fahenina ao amin’ny Baiboly isika . Anio ,

JOSOA 2.1-13

1-I Rahaba : vehivavy janga 

Eny, vehivavy mpivaro-tena no navelan’ny Tompo  hivantanan’ireo mpisafo tany avy amin’ny Zanak’ Israely ireto. Ary tsy vitan’izany,fa vehivavy mpandainga , ka lainga no nentiny nanavotra ny ain’ireto  mpisafo tany .Ary nahomby ny lainga feno hafetsena nataony .Nasehon’Andriamanitra  ny fahefany mahay  manova na dia ny ratsy aza , hahatanteraka ny  fikasany . Ary  moa tsy  izany  no hitantsika eo  amin’ny hazo  fijaliana ? Natsangan’ Andriamanitra  hamonoana an’i Jesoa ny hazo  fijaliana , nefa nampodin’ Andriamanitra ho làlana nahatanterahan’ny  famonjena antsika kosa izany .

2-I Rahaba : vehivavy nino

Eny,izany tokoa àry hoy ny fanekem-pinoany: »I Jehovah Andriamanitrareo , Izy no Andriamanitra any  amin’ny lanitra ambony sy ety  amin’ny tany ambany »(and11). Izy dia nino fa tsy maintsy handresy ny Israely ka dia nangataka fiarovana avy  hatrany izy mba tsy haringana .Izany hoe: nahay  nialoka teo ambany fiarovan’ny Tompo izy. Ary ianao , mba ahoana ?