Sahia manohitra ny kolikoly
Mofonaina anio: Zoma, faha 14 Septambra 2018
Sahia manohitra ny kolikoly
Salamo 15.1-5
1 [Ny toetry ny olona izay mahazo monina ao amin'Andriamanitra] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin'ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina? 2 Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony; 3 Tsy manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, 4 Tsy manaja ny ratsy fanahy*, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, [Heb: Ny lavina. Na: Izay mietry sy maniva tena] 5 Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.Sahia manohitra ny kolikoly
Salamo 15.1-5
Eo akaikin’ Andriamanitra 
1-Ireo izay masin-toetra
Tsy misy tsiny sy mahitsy ary marina Andriamanitra . Isan’ny toetra mampiavaka Azy ireo ka ilazana fa masina Andriamanitra . Takiany koa ny hitafian’ireo zay mivavaka Aminy ireo toetra ireo (and1) . Ny fanekentsika ny fitarihan’ny Fanahy masina no ananantsika ireo toetra ireo . Afaka ny hanohitra rahateo izay tsy mandeha tsy misy tsiny sy mahitsy ary mijoro amin’ny fahamarinana.
2-Ireo izay marina amin’ny fifandraisany amin’ny hafa
Mba hahatsara ny fifandraisana amin’ny hafa dia halavirina ny fanendrikendrehana , ny fikasana hanisy ratsy ny namana sy ny fanbalam-baraka ary ny fisakaizana tsy mba marina(and3-4a). I Jesoa rahateo dia nampianatra antsika ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika . Raha marina ny fifandraisantsika amin’ny hafa dia tsy ho sahintsika ny hanao kolikoly.
3-Ireo izay marina amin’ny ataony
Sahia manao fianianana hanohitra ny kolikoly , ka aza mivadika amin’ny teny nomena (and 4b)) . Fadio ny fitiavambola tafahoatra fa fototry ny ratsy rehetra izany ka mety hahatafalatsaka amin’ny fanaovana kolikoly (and5) . Izay manao ny marina sy marina amin’ny ataony no mahatohitra ny kolikoly .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM