Sahia manohitra ny kolikoly

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 10 Septambra 2018

Sahia manohitra ny kolikoly

SALAMO 141 . 1-4
1 [Fitarainana ataon'izay alaim-panahy sy enjehina] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mitaraina aminao aho, faingàna hankat? amiko; Henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.
Sahia manohitra ny kolikoly

SALAMO 141 . 1-4

Fitarainana atao amin’ Andriamanitra ho fiarovana ny mpanompon’ Andriamanitra  no hitantsika eto amin’ity salamo ity.

Ny Tompo ihany no tsara itarainana ( and 1-6 )

Amin’izay  zava-tsarotra mety mahazo na fakampanahy na fizahan-toetra  mahazo dia ny  Tompo ihany no tsara itarainana , ka vavaka maneho  ny maha- Andriamanitra  mihaino vavaka Azy no atao. Vavaka   fanehoana  ny maha-Andriamanitra mpamindra fo , be fitiavana sady tsy mba manao tsinotsinona  na maharikoriko ny fahoriana manjo antsika  ( Sal 142.143) no aseho eo anatrehan’ny  Tompo ka hanantenana valimbavaka avy Aminy. Azo antoka mantsy  fa ny Tompo mihaino vavaka dia hamaly tokoa araka ny haben’ny indrafony amin’ny mpanompony ( Lioka 18 .7). Aza misalasala mitondra eo  amin’ny Tompo ny fitarainanao ary asehoy Aminy fa matoky Azy ianao.

2-Mangataha  fiarovana amin’ny Tompo

Tena vavaka fakan-tahaka ity  eo anoloan’ izay mety hatao ho fakampanahy mahamay , dia izay ataon’ny hafa  hitarihana  anao hanao  izay tsy  mety , na izay  tsy marina  na izay tsy  rariny . Amin’izany indrindra  ny fiarovana  azo antoka dia ny Tompo : Izy no afaka hiambina ny vava , hiaro ny fo tsy hirona amin’ny ratsy , hiaro ny tena manontolo tsy hiray tsikombakomba  hanao izay tsy mety eo anatrehan’ny Tompo .Eo amin’ny sehatra misy anao , sahia mivavaka  sy mangataka  toy izany , ka tsy ho tsianjery  fotsiny intsony ny hoe : “Aza mitondra anay amin’ny fakampanahy fa manafaha anay  amin’ny ratsy “.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM