Sahia manohitra ny kolikoly
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Septambra 2018
Sahia manohitra ny kolikoly
Isaia 58.6-12
6 Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? 7 Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao* ianao? [Heb. hiery ny nofonao] 8 Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-lalanao 9 Ary amin'izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan'ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy, 10 Ary afoinao ho an'ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin'ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana; 11 Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra. 12 Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany.Sahia manohitra ny kolikoly
Isaia 58.6-12
Ny fivavahana marina
1-Manafaka ireo mila vonjy (and 6-7)
Anisan’ny fomba fivavahana ny fifadian-kanina , saingy tsy ankasitrahan’ny Tompo izany rehefa zary lasa fahazarana fotsiny . Ny fivavahana marina takian’ny Tompo dia ny fampiharana ny didiny . Ao anatin’izany ny hoe: « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao » Lev 19.18. Asain’ny Tompo mihevitra ny hafa isika ka tsy ho tia tena fa endri-pivavahana tena ankasitrahan’ny Tompo izany . Koa tsy ho fombafomba ny vavaka fa tena ho asa mivaingana atao.Jereo ny manodidina anao , mbola misy izay ambaran’ny and 6-7 sy ny and 9b-10a ve? Raiso izay andraikitra manandrify anao . Andrasana ny mpino ho tànan’ Andriamanitra mitsotra hamonjy ny ory sy ny malahelo eo amin’ny fiaraha-monina.
2-Mandray valiny amin’ny Tompo (and08-12)
Andriamanitra manasitrana (and8), mamaly (and9), mitari-dàlana , manome hery sy fiadanana (and11)ary hanorina fiaraha-monina vaovao hanjakan’ny fiadanana sy ny fandriampahalemana (and12). Izany no fampanantenana omen’ny Tompo ho an’izay mpivavaka marina . Azo antoka ny fiovan’ny fiaraha-monina manodidina sy ny taranaka any aoriana , ka hahafoana tsikelikely izay rehetra mety ho endrika fahalovana rehefa mampihara ny fivavahana marina isika . Hoy ny mpanao salamo: « Andramo ka izahao fa tsara Jehovah , sambatra izay olna mialoka Aminy » Sal 34.8. Tsy ho very maina na oviana na oviana ny fivavahana marina ataontsika .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM