Sahia manohitra ny Kolikoly
Mofonaina anio: Zoma, faha 07 Septambra 2018
Sahia manohitra ny Kolikoly
2 Timoty 3.10-17
10 [Famporisihana an'i Timoty handroso tsara araka ny efa nataony ihany] Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, 11 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany. 12 Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina. 13 Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina. 14 Fa ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; 15 fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, 17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.Sahia manohitra ny Kolikoly
2 Timoty 3.10-17
Ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra 
1-Toe-panahy voasedra (and12)
Ny fivelomana amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra dia mandalo fanenjehana . Tahaka an’i Apostoly Paoly izay niharan’ny fanenjehana maro. Milaza izany fa tsy maintsy misy ny mafy hosedraina , saingy izay rehetra voasedra kosa dia hatao hoe: « mpandresy » satria ny Tompo no manafaka amin’izany rehetra izany. Izay tsy mba iharan’ny fisedrana amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra dia handroso hatrany amin’ny faharatsiana . Koa sahia manohitra ny kolikoly ary manaiky hosedrain’ny Tompo. Aza manaiky horesen’ny mena miraviravy any amin’ny toeram-piasana any .
2-Toe-panahy manefy ho amin’ny asa tsara rehetra (and17)
Ny fivelomana amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra dia baikon’ny Soratra masina . Efa niainan’i Timoty hatramin’ny fahazazany ny Soratra masina (and15-16), ka nahatonga azy hanam-pahendrena sy ho tia ny rariny . Ny Soratra masina iainana toy izany no mahatonga ny olon’ Andriamanitra ho tanteraka sy ho tsara ofana , ka ho vonona tsara sady ampy fitaovana hanohitra ny kolikoly . Andeha àry, ampiasao ny Soratra masina ho fitaovana mahomby eo am-pelatànanao hanoherana ny tranga -na kolikoly rehetra misy eto amintsika .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM