Sahia manohitra ny kolikoly
Mofonaina anio: Alarobia, faha 05 Septambra 2018
Sahia manohitra ny kolikoly
Lioka 6,27 - 38
27 Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo; 28 misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo. 29 Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza. 30 Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy. 31 Ary araka izay tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa. 32 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy. 33 Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany. 34 Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray. 35 Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin'inona na amin'inona*, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.[*Na: aza manantena valiny] 36 Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo. 37 Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo; 38 omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.Sahia manohitra ny kolikoly
Lio 6 : 27-38
Sahia manohitra ny kolikoly dia tsy iharany ianao
Ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy dia mimenomenona ny amin’ny kolikoly sy fakana vola tsy ara -drariny saiky hiainany andavanandro , hany ka maro ireo olona izay rehefa mahazo fahefana koa dia mba manao izany amin’ny hafa , satria hoy izy : izahay koa aza mba nandoa sy tratra dia mba ataonay koa izay tratranay mba hiverenan’ny volanay sy hampanakarena anay na dia olon-kafa aza no eo fa tsy ilay naka tsolotra taminao. Ny Soratra Masina kosa eto dia miantso fa :
1-Omeo dia mba homena ianareo (and 38 a)
Ny olona manana fahefana rehetra dia olona mandray karama ara-dalàna avokoa. Ary alohan’ny hidirana amin’ny asa iray, satria isika efa tsy amin’ny andron’ny fanandevozana intsony dia sady efa fantatry ny olona mialoha, na ny asa hataony ao , na ny karama ho raisiny any amin’ny faran’ny volana raha manao io asa io izy. Mahagaga anefa ny ankamaroany na dia tsy izy rehetra aza dia mbola tsy manatanteraka raha tsy omena kolikoly. Fa ny soratra Masina kosa eto miantso antsika mba hanome , fa tsy haka kolikoly ho takalon’ny asa ka mba hanome izay taratasy na zavatra tandrify, araka ny asa efa nekentsika.Fa rehefa mila taratasy any amin’ny hafa koa isika mba homena.
Fa manohitra ny kolikoly koa isika satria :
2-Izay fatra hamaranareo no hamarana anareo (and 38 b)
Rehefa ny hafa no manao kolikoly dia tezitra sy manome tsiny fatratra isika, fa araka ny soratra Masina eto dia mandinintena koa aloha, izaho koa ve mba mandray kolikoly aloha vao manao zavatra? Fa raha izany dia miverina ihany ny nataonao araka ny Soratra Masina.Koa atomboy eo aminao sy toeram-piasana sy ny ankohonanao ary ny fampijanonana ny kolikoly.
R. Ndrianja, Mpitandrina,
Talen’ny Fitantanana Fananana, Foibe FJKM