Mitsangana hanohitra ny herisetra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 30 Aogositra 2018
Mitsangana hanohitra ny herisetra
I Samoela 24:1‑9
1 [Ny tsy netezan'i Davida hahafaty an'i Saoly, na dia azony tao an-johy aza] Ary Davida niakatra niala teo ka nitoetra tao amin'ny batery fiarovana tany En-jedy.Mitsangana hanohitra ny herisetra
I Samoela 24:1‑9
Ny olona misoroka ny herisetra.
Nisoroka ny herisetra hatrany i Davida na dia efa nisy fotoana aza nahazoany namono an’i Saoly mba hampitsahatra ny herisetra atao aminy. Andeha hanao toa azy ka :
1-Mihaino ny feon’ny fieritreretana (and. 4‑7)
Feo roa no henon’i Davida eto. Andaniny, ny feon’ireo namany izay nandrisika azy hamono an’i Saoly. Ankilany kosa ny feon’ny fieritreretany izay mifanohitra amin’ny feon’iretsy namany. Nihaino ny feon’ny fieritreretany i Davida ka voatohitra ny fanaovana herisetra. Andriamanitra no manome io feon’ny fieritreretana io. Mila mihaino izany isika.
2 – Manaja ny maha-olom-boahosotra (and. 8‑9).
Ny maha-olom-boahosotra an’i Saoly no nataon’i Davida tao an-tsaina ka antony tsy nanaovany herisetra taminy. Na teo aza ny fanenjehan’i Saoly azy sy ny fifofony ny ainy dia nohajain’i Davida hatrany ny maha-olom-boahosotra an’i Saoly mpanjaka. fanehoana ny fanokanan’Andriamanitra olona iray ho amin’ny andraikilra manokana ny fanosorana. Olona tahaka ny olona rehetra anefa ireny olona ireny ka mety manana ny fahadisoany, mety manana ny fahalemeny. Tsy antony hanaovana herisetra amin’izy ireny anefa izany noho ny amin’ny maha-olom-boahosotra azy.
Fanontaniana :
Efa mba isan’izay nikasa hanao herisetra tamina Mpitandrina ve ianao ?