Mitsangana hanohitra ny herisetra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Aogositra 2018
Mitsangana hanohitra ny herisetra
Matio 6,21 - 29
21 Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao. 22 Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. 23 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany! 24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna* ianareo.[*Mamôna = harena] 25 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana? 26 Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? 27 Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany* na dia kely monja** aza? [* Na: Ny halavan'ny tenany] [** Gr. Hakiho iray] 28 Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo* any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;[*Karazan'ny lilia] 29 nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.Mitsangana hanohitra ny herisetra
Mat. 6:21‑29
Ny mpino manohitra ny herisetra
Andeha horaisina ho toromarika omen’ny Tompo antsika mba tsy ho tafalatsaka amin’ny fanaovana herisetra isika ka :
1- Manaova ny sitrapon’ny Ray (and. 21‑23)
I Jesoa no tena mahalala ny sitrapon’ny Ray ka nampita izany tamin’ny alalan’ny fampianarana sy ny toriteny rehetra nataony. Isan’izany ny tsy tokony hamaliana herisetra ny herisetra (Mat. 5:38‑41). Tsy mety ny manao Tompoko, Tompoko an’i Jesoa sy ny fanaovana asa maro amin’ny anarany kanefa any ambadika isika manao herisetra amin’ny tenantsika na amin’ny hafa. Fandavana antsika tsy hiditra ny fanjakan’Andriamanitra no setrin’izany eto.
2- Mankatoava ny Tenin’ny Tompo (and. 24‑27).
Fanoharana no entin’i Jesoa maneho ny elanelana misy eo amin’ny olona mankato ny teniny sy ny tsy mankato. Fahafahana manohitra ny sarotra rehetra ho an’ny mpankatoa ny teny. Faharavana kosa ho an’izay tsy mankatoa. Mahatohitra ny fanaovana herisetra izany izay mankato ny Tenin’ny Tompo. Mora latsaka ao anatin’ny fanaovana herisetra kosa izay tsy mankato ny Teniny ka faharavam-piainana no iafaran’izany. Toy ny riaka be sy rivotra mifofofofo mila handrava ny trano mantsy ny herisetra ka raha ratsy fotolra ny trano dia ho rava.
Fanontaniana :
Inona no sakana tsy ahafahana mankatoa ny tenin’ny Tompo ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM