Mitsangana hanohitra ny herisetra
Mofonaina anio: Talata, faha 28 Aogositra 2018
Mitsangana hanohitra ny herisetra
Isaia 53:7‑10
7 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan'ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.Mitsangana hanohitra ny herisetra
Isaia 53:7‑10
Niharan’ny herisetra llay Voahosotra.
Tafiditra ho anisan’ireo toko milaza ny mombamomba llay voahosotr’i Jehovah sy ny fiainany ity mofonainantsika ity. Niharan’ny herisetra Izy mba ho famonjena ny maro ka :
1- Nanaiky ny hitondra fahoriana (and. 7)
Mazava kokoa ny herisetra natao tamin’ny Mpanompon’i Jehovah ity rehefa vakiana ny and. 4‑7. Ny herisetra natao tamin’i Jesoa no nambara mialoha eto satria tanteraka taminy avokoa ny fampahoriana rehetra voalaza eto. Fomba iray nentin’ny Tompo nanohitra ny herisetra natao taminy ny fiaretana sy ny fanetre-tena ary ny fahanginana.
2 – Nanaiky ny hohelohina (and. 8)
Mahagaga ny valin’ny fitsarana eto. Ny niharan’ny herisetra indray no voaheloka. Fanehoana fankatoavana izany mba hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy nanohitra ny herisetra natao taminy ny Tompo mba ho fankatoavana ny Ray sy ho fisoloana heloka antsika.
3 – Nanaiky ny hovonoina (and. 9)
Niafara tamin’ny fahafatesana ny fampijaliana sy ny fampahoriana nihatra tamin’ity Mpanompon’i Jehovah ity. Ny fahafatesan’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana sy ny nandevenana Azy tao am-pasana no porofo manamarina ny fahamarinan’ily faminaniana eto ity.
Fanontaniana :
Mitadiava toko sy andininy hafa miresaka ny momba ity Mpanompon’i Jehovah ity ao amin’ny bokin’i Isaia ihany ?