Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Hosea 4, 1‑3
1 [Ny fananarana ny Isiraely noho ny helony] Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo Zanak'Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin'ny mponina amin'ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an'Andriamanitra eo amin'ny tany,

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Hosea 4, 1‑3

Mitsangàna hanohitra ny herisetra.

Nanjakan’ny fahalovana sy ny herisetra tanteraka ny fiaraha-monina tamin’ny andron’i Hosea mpaminany ka nahatonga izao hafatr’Andriamanitra izao (and. 1‑2). Tsy mifanalavitra amin’izany koa ny fiaraha-monina misy antsika ankehitriny. Koa mitsangàna hanohitra izany miaraka amin’ny Tompo satria :

1 – Mampitaraina ny tany izany

Tafakatra eo amin’Andriamanitra tahaka ny tamin’ny nanaovan’i Kaina herisetra tamin’i Abela rahalahiny ny fitarainan’ny tany (Gen. 4:10). Avy amin’ny tany no namoronana ny olona .Koa tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny tany onenana ny fihanaky ny herisetra mihatra . Tokony hampandinitena antsika izany satria efa nataon’Andriamanitra hifamatotra amin’ny tany ny fiainantsika olombelona.

2 – Mandringana ny zava-mananaina izany.

Tsy afa-bela amin’ny firongatry ny herisetra ihany koa ny mponina sy ny zava-mananaina ao amin’ny tany. Horohoro sy tebiteby ary fandringanana no ateraky ny herisetra. Tsy maintsy mitsangàna isika Fiangonana noho izany hanohitra ny tsy fahamarinana sy ny herisetra amin’ny endriny rehetra ho fampandriana fahalemana ny firenentsika amin’ny alalan’ny Filazantsaran’i Jesoa.

Fanontaniana :

Inona no mety ho hevitry ny hoe : »mitomany ny tany » ?