Mitsangana hanohitra ny herisetra
Mofonaina anio: Talata, faha 03 Jolay 2018
Mitsangana hanohitra ny herisetra
Estera 7.1-7
1 [Ny nanonganana an'i Hamana sy ny namonoana azy] Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankao amin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ho ao amin'ny fanasana 2 Ary hoy indray ny mpanjaka tamin'i Estera teo am-pisotroan-divay tamin'ny andro faharoa inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona ange no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany. 3 Dia namaly Estera, vadin'ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny fangatahako; 4 fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahìny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e. 5 Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, hoe: Iza moa izany, ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory? 6 Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka Hamana. 7 Ary tezitra dia tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho eny an-tanimbolin'ny trano; ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelin'ny mpanjaka azy.Mitsangana hanohitra ny herisetra
Estera 7.1-7
Mangataka famonjena ho an’ny fireneny i Estera
1-Mangataka fahavelomana i Estera
Omen’i Ahasoerosy mpanjaka fahefana hangataka izay irin’ny fony aminy i Estera vadiny . Ananan’i Estera ny voninahitra , ny harena , ary izao na dia ny atsasaky ny fanjakana aza dia homen’ny mpanjaka (and2). Tery am-po i Estera ho an’ny Jiosy sy ny tanindrazany , ka ny fahavelomany miaraka amin’ny fireneny no nangatahany . Ny anton’ny fanandratana an’i Estera ho vadin’ny mpanjaka dia ho famonjen’ny Tompo ny Jiosy . Tsy velona ho an’ny tenany ny mpanompon’ Andriamanitra fa iray aina amin’ny fiangonana sy fireneny (Rom 14.7).Famantarana ny fahaveloman’ny fiangonana ny firaisany aina amin’izay ory sy mijaly ianjadian’ny herisetra sy ny tsy rariny.
2-Manafoana ny fandringanana ny fitiavan-tanindrazana
Mamantatra ny loharanon’ny fandringanana ny mpanompon’ Andriamanitra . I Hamana no efa nikatsaka ny hampahory amin’ny onitra sy ny fandringanana ny Jiosy (and4). Voataiza ho amin’ny fikatsahana ny tombotsoan’ny fireneny izy. Nofoanan’i Ahasoerosy mpanjaka ny fikasan-dratsin’i Hamana . Novelomina ny Jiosy fa Hamana ratsy fanahy …rafilahy sy fahavalo kosa novonoina (and6). Mpamonjy ny Tompo , ka mampijoro ny mino ho vavolombelony hiaro ny mijaly. Tahotra ho an’ny ratsy fanahy mpivarotra sy mpandringana ny vahoakan’ Andriamanitra ny fijoroan’ny mpanompony amin’ny fitiavana ny fiangonana sy ny fireneny .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM