Mitsangana hanohitra  ny herisetra 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra  ny herisetra 

Eksodosy  2.11-17
11 [Ny nataon'i Mosesy hamonjeny ny namany, sy ny nandosirany nankany Midiana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin'ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin'ny Hebreo rahalahiny. 12 Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Egyptiana, ary nasitriny tao amin'ny fasika ny faty. 13 Ary nony ampitson'iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin'ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao? 14 Fa hoy izy: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr'olona izany! 15 Ary rehefa ren'i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan'i Farao ka nonina tany amin'ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana izy. 16 Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman'osin-drainy. 17 Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman'osiny.

Mitsangana hanohitra  ny herisetra 

Eksodosy  2.11-17

Mamonjy ny Israely  Andriamanitra 

1-Manafaka ny rahalahiny ampahoriana i Mosesy 

I Mosesy dia Hebreo notezaina tao amin’i Farao , izay  « tonga zanany« (and2.10). Nanjary zanaka  mpanjaka i  Mosesy , nahazo ny fitaizana  sy ny tombotsoa rehetra tao an-dapa sady notezain’ny reniny  rahateo . Rehefa lehibe ka nivoaka ny lapa izy dia nahita ny fampahorian’ny Egyptiana ny Hebreo  . Nijoro  hiaro ny Hebreo izy  (and 12). Nitsangana hampisaraka ny Hebreo rahalahiny niady izy (and 13). Nisafidy hitoetra amin’ny maha-vahoakan’ Andriamanitra azy i Mosesy, hitondra fanafahana ny rahalahiny sy ny fireneny . Mitaky safidy sy fanapahan-kevitra  ny  fijoroana hiady amin’ny heristra ( ampit Heb 11.24).

2-Manafaka  ireo vehivavy  hafa  firenena i Mosesy 

Rehefa niharan’ny herisetra tany Egypta  ka nandositra tany amin’ny tany Mediana i Mosesy dia nahita ny zanakavavin’ny mpisorona tao izay nosetrasetrain’ny mpiandry ondry . « Nitsangana izy ka namonjy  » (and17). Rehefa  nandray antso sy nisafidy  ho amin’ny fanafahana sy ny famonjena ny hafa ny  mpanompon’ Andriamanitra dia tsy afa-miala amin’izany . Izay  fitaizana azontsika avy amin’ Andriamanitra sy ataon’ny ray aman-dreny amin’ny finoana dia manefy olona hitondra fanafahana ny olona iharan’ny herisetra . Miandany hatrany  amin’ny olona mila vonjy ny  mpanompon’ Andriamanitra izay  notezaina tamin’ny fitiava-tanindrazana.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM