Sahia mitory fahamarinana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Jolay 2018

Sahia mitory fahamarinana

1 Petera 3, 14‑17
1 Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondran-tenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),

Sahia mitory fahamarinana

1 Petera 3, 14‑17

Sambatra isika !

Nahoana tokoa moa no ambara sy lazaina fa sambatra rsika ?

1-Satria miaraka amin’i Jesoa Tompontsika

“…fa manamasina an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo” (and. 15), izay efa nananaran’ny mpaminany ny Isiraely fahizay (lsa. 8, 13), dia hamafîsin’ny Apostoly Petera eto mba tsy hohadinoina ny Tompo. Izy tokoa no mandray ny fon’izay mino Azy ary manaiky hiditra ka hanome fiadanam-po, fitoniana amin’ny tebiteby sady hamonjy. Raha Izy tokoa no noraisintsika ary nekentsika hanapaka ny fiainantsika dia hahatsapa ny fombàn’ny sandriny mahery isika. Koa avelao ny Fanahiny Masina hitarika antsika amin’ny marina rehetra.

2- Satria manaraka ny sitrapon’ny Tompo.

Efa tenin’i Jesoa ny fanomezan-toky antsika mpino kristiana momba ny fahoriana ka nilazany hoe : “matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao” Jao. 16:33. Nandresy Izy ka entiny handresy miaraka
Aminy isika mino sady hampianariny handeha amin’ny fahamarinany tokoa. Teny fahamarinana no ilazana ny sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina koa aoka hifikitra hankatoa ny teniny isika isan’andro. Izany no manao ny sitrapony.

Fanontaniana :