Sahia mitory ny fahamarinana

Mofonaina anio: Zoma, faha 27 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Matio 5:31-37
31 Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo. 24. 1). 32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga. 33 Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin'i Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12). 34 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany; 35 na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany. 36 Aza mianiana amin'ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. 37 Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy*.[*Na amin'ilay ratsy]

Sahia mitory ny fahamarinana

Matio 5:31-37

Ny fahamarinana asaina hiainana manomboka ao an-tokantrano.

1- Marin-toerana ny tokantrano.

Tsy ankasitrahan’ny Tompo mihitsy ny fisaraham-panambadiana na inona na inona no antony, saingy nekeny ihany raha noho ny fijangajangana satria efa nisy lalàna (Deo. 24:1). Izany anefa dia vokatry ny tsy fahamarinan-toeran’ny tokantrano. Tsodrano nomena ny hoe : « marena tokantrano » fa firy no mametraka tokoa ny tokantrano ho marin-toerana ka tsy mizotra amin’ny fisaraham-panambadiana ? Irina fatratra ho maro izany. Ny tsy fifampitokisan’ny mpivady no olana voalohany mampiditra izany ka manimba ny tokantrano. Aoka àry hiverina hifampatoky ny mpivady, tsy hifamitaka fa hifanampy sy hifankatia manaraka ny Tenin’Andriamanitra.

2-Mandeha amin’ny fahamarinana.

Ny fianianana dia nataon’ny olona hampidirana an’Andriamanitra ho vavolombelon’ny zavatra lazainy ka na tsy marina aza dia aleony miandry ny vokany eo. Manome didy tsy hanaovana intsony fianianana ny Tompo satria ny fahamarinana tsy mba azo havadibadika. Tsotra ny fanapahan-kevitra nampianarin’ny Tompo : « Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny ; Tsia, tsia ; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ny ratsy » (and.37).

Fanontaniana :

Manao ahoana ny tokantrano misy antsika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM