Sahia mitory ny fahamarinana
Mofonaina anio: Talata, faha 24 Jolay 2018
Sahia mitory ny fahamarinana
Matio 19,30 - 20,16
30 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany. 1 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. 2 Ary rehefa nifanekeny tamin'ny mpiasa fa ho denaria isan'andro ny karamany, dia nasainy nankany amin'ny tanim-boalobony ireny. 3 Ary nivoaka tamin'ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena, 4 ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin'ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny. 5 Ary nivoaka tamin'ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa. 6 Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro? 7 Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin'ny tanim-boaloboka. 8 Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin'ireo taoriana ka vao hatramin'ireo voalohany. 9 Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy. 10 Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony. 11 Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin'ny tompon-trano ka nanao hoe: 12 Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro. 13 Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko? 14 Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa. 15 Tsy mahazo manao izay tiako amin'ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho? 16 Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.Sahia mitory ny fahamarinana
Matio 19:30 – 20:16
Marina Andriamanitra amin’ny fitondrany
1 – Mampanao fifanekena amintsika Izy (and. 2)
Ny mpanompon’Andriamanitra maharitra sy mitoetra eo amin’ny fanompoana dia olona vita fifanekena tamin’Andriamanitra Tompo. Mahita fifaliana amin’ny fiarahana miasa amin’ny Tompo isika. Mahatoky sy marina ny Tompontsika ka mitandrina ny fanekena nataony sy mitahiry antsika hahita fahombiazana amin’ny fanompoana Azy. Tsy tokony hiala na hanatsoaka ny fanekentsika Azy isika fa tokony hanavao izany isan’andro. Mijery sy manampy antsika ny Tompo noho ny fitiavany antsika.
2 – Mampandeha amin’ny marina Izy (and. 14)
Na ny mpanompo nalefa mialoha tany an-tanimboaloboka na ny mpanompo tsy niasa afatsy ora iray monja dia samy nampandehanin’ny Tompo hiasa avokoa, asa mitovy no nampanaoviny, asan’ny fahamarinany izany. Fitsipika hidirana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra no mivoitra eto. Mandeha amin’ny fahamarinana izay sitraky ny Tompo isika rehefa manompo Azy amin’ny fo. Ka ny fahasoavany no ampiharihariany ny fitiavany ny olona rehetra hovonjena. Manana fandaminana araka ny fombany ny Tompo, marihiny amin’ny hoe : « ny voalohany ho farany, ary ny farany ho voalohany » izany.
Fanontaniana :
Mahatsapa fifaliana ve ianao rehefa tonga aloha ao am-piangonana ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM