Sahia mitory ny fahamarinana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Romana 4:1‑12
1 Inona ary no holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo?

Sahia mitory ny fahamarinana

Romana 4:1‑12

Misy fahasoavan’Andriamanitra asehony amin’ny fahamarinana nomena an’i Abrahama. Nisain’Andriamanitra ho zava-manan-danja teo anatrehany ny finoana tao aminy ka nohamarinina izy satria natoky Azy. Misy ny fanamarinan’Andriamanitra antsika.

l-Amin’ny finoana irery ihany (and. 1‑8)

Tena isain’Andriamanitra ho fahamarinana ny finoantsika ka manana fahasambarana araka ny tenin’i Davida isika (Sal. 32:1‑2). Ary tsy valin’ny soa nataontsika velively izany fa fahasoavan’Andriamanitra, dia ny famelana ny heloka sy ny fahotantsika. Ny finoantsika irery ihany no hanamarinana antsika ao amin’i Jesoa Kristy. Mety raha manaiky Azy amin’ny finoana isika ary mamela Azy hiasa ao anatintsika sy amin’ny alalantsika. Ny famonjena notanterahan’i Jesoa Kristy teto an-tany dia inoana fa hampanakaiky antsika Aminy hatrany an-danitra.

2-Amin’ny finoana tsy fomba ivelany (and.9‑12).

Nohamarinina tamin’ny finoany i Abrahama fa tsy tamin’ny famorana, izay tombo-kasen’ny fahamarinana amin’ny finoana izay nananany. Ampy ny finoantsika hanatonana an’i Jesoa Kristy ka hanolorana eo an-tànany ny momba antsika rehetra. Ao amin’ny Soratra Masina no hanomezany ny Teny fampanantenana anjarantsika tahaka ny nanomezany Teny fikasana an’i Abrahama. Miorena mafy amin’ny finoana velona, miasa ary mijoroa.

Fanontaniana:
Inona no efa noraisinao tamin’ny finoanao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM