Sahia mitory ny fahamarinana

Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Deoteronomia 24:10-22
10 Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy. 11 Mijanòna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano. 12 Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka, 13 fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao izany. 14 Aza manao fitondrana sarotra amin'ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin'ny taninao sy ao an-tanànanao. 15 Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin'ny fony; fandrao hitaraina amin'i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany. 16 Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ihany ny olona. 17 Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho tsatòka. 18 Fa tsarovy fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany. 19 Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asa rehetra ataon'ny tananao. 20 Raha manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. 21 Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. 22 Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.

Sahia mitory ny fahamarinana

Deoteronomia 24:10-22

Ny Testamenta Taloha dia manazava fisipika sy fanao maro mba hisian’ny fifampitsimbinanana sy ho fitondrana fiainana ho an’ny hafa. Isain’Andriamanitra ho fahamarinana ny fanajana ny zon’ny hafa sy ny fanampiana ireo mila vonjy ao amin’ny fiaraha-monina.

1 – Mamonjy ny mahantra sy sahirana.

Anjara andraikitra miandry ny tsirairay ny manampy ny mahantra sy ny sahirana ao anaty fiaraha-monina. Manao asa soa no filazantsika izany ankehitriny. Nametraka fitsipika ho enti-manatanteraka izany anefa ny Tompo mba tsy hanaovana zavatra tsy ara-drariny amin’izy ireny. Na ady eny amin’ny fitsarana aza dia tokony hisy fitsinjovana azy ireo fa izany no fahamarinana napetraky ny Tompontsika. Mijery manokana ny mahantra sy ny sahirana ny Tompo.

2 – Mitsinjo ny vahiny sy ny kamboty

Ny nanajan’ny Isiraelita ny fitsipika (and. 19‑21) no nahazoan’i Rota, vehivavy mpivahiny avy any Moaba, lasa razamben’i Jesoa, anjara sakafo nivelomany teo amin’ny tanàna niavian’ny vadiny efa maty (Rota 2:2). Fahamarinana mendrika hanomezana anjara ny vahiny ny fanarahana ny fitsipika avy amin’ny Tompo eto. Mampianatra fahamarinana hitsinjovana ny vahiny ny Soratra Masina. Aoka hampisakafo ny vahiny tonga ao antrano isika, tahaka izany koa no tokony hanampiana ny kamboty tsy manam-piahy.

Fanontaniana :
Efa nataontsika ve izany ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM