Sahia mitory ny fahamarinana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Jaona 7, 14- 19
1 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.

Sahia mitory ny fahamarinana

Jaona 7, 14- 19

« … fa izay mitady ny voninahitr’Izay naniraka Azy no marina… » (and. 18b).

Ny fampianarana feno fahamarinana dia :

1- Mampianatra avy amin’ny Soratra Masina.

Ny Soratra Masina manontolo dia nomena antsika mba handraisantsika ny fampianarana sy ny fananaran’ny Tompo, dia ny famonjena antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra. Ny fampianarana nentin’i Jesoa no manafaka sy mampandresy ny olony satria fampianarana feno izany. Voalaza ao na ny ara-batana na ara-tsaina na ny ara-panahy. Mendrika hampamirapiratra ny voninahitr’Andriamanitra ny fanarahantsika ny Teniny, ny fanaovantsika ny sitrapony sady mamindra hery sy aina vaovao ao anaty izany.

2-Mampijoro ho mpanompon’ny fahamarinana.

Manao ezaka manokana ny fariseo amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra mba hanavaka azy ho masina. Jesoa Kristy kosa nampiharihary ny fahamasinan’Andriamanitra tamin’ny fampianarana ny Teniny. Ny fampiharana izay lazain’ny Soratra Masina sy ny hafatry ny Tompo no manova antsika hanam-pahamasinana. Manompo an’Andriamanitra sy ny Teny fahamarinany izay manaiky hiara-miasa Aminy hizara sy hampiely ny Filazantsaran’ny famonjena. Aoka handroso hatrany ny fampianarana Soratra Masina ao am-piangonana.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fitiavanao mianatra sy mampianatra Soratra Masina ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM